Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ry Zanaka vavy Vitanao io
Ry Zanaka vavy Vitanao io
Ry Zanaka vavy Vitanao io
Ebook148 pages1 hour

Ry Zanaka vavy Vitanao io

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Hanasitrana ny ratran’ ireo zanakavavy ity boky ity!Ao antin’ ity boky izay efa niandrasana fatratra ity, dia anaovana fanamby ny vehivavy hamela ny fanampian’ Andriamanitra hanampy azy ireo handresy ireo zava-misy maro tsy hay atao izay sedrainy.Hikasika ny fiainanao Andriamanitra ary hanome hery ho anao raha makafy ity boky vaovao mahery vaika, nosoratana manokana ho an’ ireo zanakavavy ity ianao

LanguageMalagasy
Release dateJun 12, 2018
ISBN9781613958070
Ry Zanaka vavy Vitanao io
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ry Zanaka vavy Vitanao io

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ry Zanaka vavy Vitanao io - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ireo Vehivavy

    Ity boky ity dia nosoratako ho an’ny vehivavy. Hafatra ho an’ireo vehivavy ity na aiza na aiza misy azy. Noforonina tsy hitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy ary mino aho fa mendrika handray hafatra manokana izy ireo.

    Misy fomba roa no niantsoan’i Jesosy ny vehivavy. Na Izy niantso azy ireo hoe vehivavy, na zanaka vavy.

    Misy maha samy hafa ny zanaka vavy amin’ny vehivavy. Raha vehivavy aho dia aleoko antsoin’i Jesosy hoe zanaka vavy. Amiko, ny zanaka vavy dia mora mandray kokoa, misokatra bebe kokoa, ary manetry tena bebe kokoa. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy lehibe dia sarotra sarihana kokoa noho ny zanaka vavy.

    Ny Ngidin’ny Fiainana

    Maro ireo vehivavy tratran’ny fangidiana noho ny zava-misy eo amin’ny fiainany. Lasa mafy fo izy ireo, manao an-dolom-po ary tsy mamindra fo. Voafafan’ny traik’ efa marary izay niainany avokoa ny fahatsaran’ny finoana sy ny fahatokiana. Aza matoky lehilahy izany, hoy izy. Hoy koa izy ireo amin’ny tenany : Aza matoky vehivavy hafa izany. Firy amin’ireo vehivavy moa no tsikaritro fa miaina irery. Lasa mpitoka-monina izy ireo ary saiky tsy mana-namana mihitsy aza.

    Mariho tahaka ny ahoana ny fomba niresahan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy tao Samaria. Niezaka ny nanintona ity vehivavy ity Izy mba hino ireo zavatra nolazainy.

    ...RAVEHIVAVY, MINOA AHY, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.

    Jaona 4:21

    Mariho hoe ahoana no niresahan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga. Izy ity dia vehivavy izay saika namoy ny ainy teo an-tànan’ireo lehilahy tsy nisy indrafo. Tiany hatoky izany atao hoe fitiavana izany indray Izy.

    ...RAVEHIVAVY, AIZA IRENY ? TSY NISY NANAMELOKA ANAO VA ? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.

    Jaona 8:10, 11

    Jereo ihany koa ny fomba firesahan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy izay narary lamosina nandritra ny valo ambin’ny folo taona. Niaina zavatra maro ity vehivavy ity. Niaina tao anatin’ny fangidiana sy fangirifiriana nandritra ny fotoana maharitra izy. Nila fahagagana io vehivavy io. Mariho hoe tahaka ny ahoana no fomba firesahan’i Jesosy taminy tao am-piangonana :

    ...RAVEHIVAVY, AFAKA AMIN’NY ROFINAO IANAO. Dia nametraka ny tànany taminy Izy ; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.

    Lioka 13:12, 13

    Toko 2

    Ireo Zanaka Vavy

    Amin’ny ankapobeny, tsy dia manana fangidiana sady tsy mpanao an-dolom-po izany ny zanaka vavy. Misy karazana hatsaram-po sy tsi-fananan-tsiny izay mampiavaka ny zanaka vavy. Ambonin’izany, dia manana fahatokisana miavaka ho an’ny rainy ny zanaka vavy. Ny mampalahelo anefa, dia mihamihena ny finoana, ny fanantenana sy ny fitiavan’ireo zanaka vavy rehefa mihalehibe izy ireo.

    Nandray ireo vehivavy sasany ho toy ny zanaka vavy i Jesosy. Mino aho fa noho ny finoan’izy ireo Azy izany. Tsikariny ny fitiavana madio nasehon’izy ireo taminy.

    Andeha hojerentsika ireo antokom-behivavy izay nanaovan’i Jesosy asa fanompoana.

    Eto dia hitantsika fa hafa ny fomba nifandraisany tamin’izy ireo.

    Tamin’ny iray tamin’ireo fahagagana lehibe indrindra nataon’i Jesosy dia ny nanasitranany ilay vehivavy nitsi-drà, hitantsika fa noraisin’i Jesosy ho toy ny zanaka vavy izy ! Afaka nandray ny hosotra ity vehivavy ity na dia tsy nahatsapa na inona na inona aza ny manodidina rehetra.

    ...ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.

    Marka 5:29

    Fa hoy Jesosy : NISY OLONA NANENDRY AHY ; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.

    Lioka 8:46

    Misy zavatra tiako ho dinihinao tsara mikasika io zanaka vavy io. Voalohany indrindra, dia natoky tanteraka ny fahaiza- manaon’i Jesosy izy. Tao anatin’ny aretiny sy ny fahalemeny, dia nifanety tamin’ny vahoaka maro izy mandra-pikasihany ny sombin-dravin-dambany.

    Nitaky finoana lehibe ho an’ity vehivavy ity ny fisisihana tao anaty vahoaka be. Izany indrindra no nahatonga azy ho zanaka vavy tena mahafinaritra : finoana sy fahatokiana. Ireo roa ambin’ny folo taona niainany tao anaty fangidiana niaraka tamina karazan’ olona maro dia tsy ampy nanala ny finoana tao am-pony.

    Ireo Vehivavy Mailo

    Indraindray dia sarotra ho an’ny vehivavy izay niaina tao anatin’ny ota niaraka tamin’ny lehilahy maro ny hatoky lehilahy avy eo. Kely ny fahatokiany ny rainy, ny pasiterany, ary ny lehilahin’ Andriamanitra, na iza io na iza. Tsy afaka mino ny fisian’ny fahatsarana sy ny fahadiovana fotsiny izy. Indraindray, ny fitaizana ao anatin’ny kolontsain’ny fiahiahiana sy ny fifosafosana dia mamafy ny voan’ny tsi-fahatokiana izay tafapetraka mandrakizay. Ny vehivavy toy izany dia mirona mankany amin’ny fanahiana, tsi-finoana, tsi-fahatokiana olona sy ny fiahiahiana foana. Ny vehivavy izay tsy afaka ny hatoky dia tsy afaka ny hitia ihany koa matetika. Feno tahotra izy. Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra. Ny Baiboly dia milaza fa ny fitiavana...

    ...mino ny zavatra rehetra...

    1 Korintiana 13:7

    Ireo Zanaka Vavy dia Mandray ny Hosotr’ireo Rainy

    Ny famantarana hafa mahatalanjona mikasika ity zanaka vavy ity, (ilay vehivavy nitsi-drà), dia ny nahazoany ny hosotr’i Jesosy. Ity irery no tranga izay nahitana ny hosotra izay nikoriana avy tamin’ny olona iray nankany amin’ny olona iray hafa voarakitra ao anaty Baiboly, ka ireo olona roa ireo dia samy nahatsapa azy. Jesosy nahatsapa ny hosotra niala taminy ary ilay zanaka vavy nahatsapa ny hosotra niditra tao anatin’ny vatany.

    Hitanao, ny zanaka no tena mahazo ny fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ireo ray aman-dreny. Ny zanaka fa tsy ny mitovy aminy, na ny mpiara-miasa, no mahazo ny lova avy amin’ireo rainy.

    Misy ny fotoana eo amin’ny fiainan’ny vehivavy izay hanoherany ny fahefan’ny lehilahy. Tsy manome tsiny azy aho satria maro amin’ny lehilahy no tsy mandray ny andraikiny sy tsy azo itokiana.

    Na izany aza anefa, ny fiadiana amin’ireo lehilahy sy ny fanoherana ny fahefany dia mety hanalavitra anao amin’ny hosotra. Lasa manana toetra manohitra foana ianao manoloana ny fanomezan’ Andriamanitra. Hitanao, ny ankamaroan’ireo fitaovana ampiasain’ Andriamanitra dia lehilahy.

    Raha raisinao ho ray ny olona iray, dia manokatra ny tenanao amin’ ny fanomezana goavana avy aminy ianao. Angamba, izay no antony nahatonga an’i Jesosy nandray azy toy ny zanaka vavy.

    ...RY ZANAKA VAVY, NY FINOANAO NO NAHASITRANA* ANAO : mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.

    Marka 5:34

    Ny Maha Zanaka Vavy Dia Mandrakizay

    Tamin’ny fotoana iray dia marobe ny olona nanaraka an’i Jesosy rehefa nizotra nankany amin’ny hazo fijaliana Izy. Tao anatin’ireo olona maro be ireo, dia nisy vehivavy maro tsy faly noho ny tsy rariny nampiharina taminy. Nanohana azy tamin’ny fahasahiana sy ampahibemaso izy ireo.

    Tamin’ny ora nandao ny Tompo avokoa ireo lehilahy sy ireo Apostoly dia nijanona ho mahery ireo vehivavy. Nitodika tany amin’izy ireo Jesosy sady nitory ny teny faminaniana tamin’ny fony. Tsy nahita ireo tovovavy mpanohana ireo ho toy ny vehivavy tsotra anefa izy, fa toy ny zanaka vavy.

    ...RY ZANAKAVAVIN’I JEROSALEMA, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.

    Lioka 23:28

    Misafidiana ho vehivavy izay azon’i Jesosy raisina ho toy ny zanaka vavy. Olona izay misokatra amin’ny hosotra ! Olona izay manohana ny lehilahin’ Andriamanitra ! Olona izay vonona hiray hevitra tsy amim-pihambahambana sy amin’ny fitiavana tanteraka amin’ny vina !

    Toko 3

    Ny Fiarovana

    Ny Vehivavy dia Mila Fiarovana

    Ny vehivavy dia mila fiarovana mandritra ny fiainany. Io fiarovana io dia ampiasaina toy ny ampinga fiarovana. Ny mampalahelo anefa, maro amin’ny vehivavy no tsy mahatakatra izany zava-misy marina izany. Mahita ny tenany ho mira lenta amin’ny lehilahy izy ireo ary tsara tahaka ny hafa.

    Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany...

    1 Korintiana 11:5

    Tsy misy afa-tsy amin’ny fanahin’ny fanetren-tena ihany no ahafahanao manaiky ireo zava-misy marina ireo. Ny fikatsahana tsara indrindra ny fanjakan’ Andriamanitra dia miaraka amin’ny toetran’ny zaza.

    ...Raha tsy miova ianareo ka HO TONGA TAHAKA NY ZAZAKELY, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo...

    Matio 18:3

    Zava-dehibe ho an’ny vehivavy ny fiarovana ara-panahy ary miainga any amin’ny loha izany fiarovana izany. Na manambady na tsia ny vehivavy iray dia afaka hahazo ny fiarovana ilainy.

    ...ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy...

    1 Korintiana 11:3

    Izany fiarovana izany indraindray dia avy amin’ireo vady, ireo mpitandrina na ireo ray ara-panahy. Tsy eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny vehivavy izay manao asa fanompoana kanefa tsy manana fiarovana ara-panahy. Mazava ho azy fa raha manambady tsy mpino ianao dia tsy afaka ny hiaro anao ara- panahy izy.

    Raha toa ka manambady olona tsy mahiratra ara-panahy ianao dia tsy izy no mpiaro anao. Tsy maintsy olona manana haavo ara-panahy mihoatra noho ianao no mpiaro anao. Izay no antony iantsoana azy hoe mpiaro.

    Ry anabavy, manana mpiaro ara-panahy ve ianao ? Misokatra ho amin’ny torohevitr’ireo lehilahy nomen’ Andriamanitra ho mpiaro anao ve ianao ? Iza no mpiaro anao ara-panahy ? Mpanohitra ve ianao ? Aza adino fa tsy misy na dia iray amintsika aza ambonin’ny Tenin’ Andriamanitra.

    Toko 4

    Ry Zanaka Vavy, Voninahitrao izany !

    Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho. Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho ; kanefa TSY

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1