Вы находитесь на странице: 1из 23

TENY FANOLORANA

Maro ny kristiana mpikambana ao anaty fiangonana no mametraka fanontaniana lalina ao anatiny ny aminny fandrosoany aminny arapanahy. Diso fanantenana ny sasany fa toa vao mainka miha-sarotra ny ady eo anoloany, toa vao mainka maro ireo olona manenjika sy manao izay hanafintohina, toa mivavaka ihany nefa toa tsy mahita izay valim-bavaka nirina. Tsy nampanantena mihintsy ny Tompo fa vao mandray Azy ianao dia ho tianny olona rehetra, na hisy vola hiraraka avy any an-danitra hiraraka eo anoloanao, fa ny mifanohatra aminizany aza no efa nampiomaniny sahady, satria nasainy nitondra ny hazo fijaliana isika ary izany no hahafahana mandova ny lanitra (Lio 14:27). Tsarovy fa satana dia manjaka eto aminizao tontolo izao (1 Jao 5:19b), tsy ho faly aminao izy raha hiala eo aminny fanapahany ianao, ary hampiasa ny fahefana sy ny fahafahana rehetra eo aminy tokoa izy mba hampihemotra na hampilavo-lefona anao. Izany indrindra no nanoratana ity boky ity mba hanomanana kristiana matotra sy miorina tsara ao aminny Tompo. Inona ny fandresentsika kristiana? Inona no tombon-tsoa ao amini Kristy Jesosy? Inona ilay fiadanana nampanantenainy ho antsika kristiana? Iza marina no tena atao hoe zanakAndriamanitra? Inona no andrasanAndriamanitra amintsika kristiana ?

fiangonana

Jesosy Kristy Mahagaga

TENY FAMARANANA
Aza atao vazivazy ny famonjena ny fanahinao, fa aoka ho tena hanana toky lehibe ao anatinao ianao fa efa voasoratra any an-danitra ny anaranao. Ny olona iray izay mbola manana fisalasalana ny aminny famonjena ny fanahiny dia azo antoka marimarina tokoa fa mbola mety ho very ! Hoy i Paoly hoe ny fahafatesana no ahazoako tombony! Tsy niteniteny foana izy fa tena nahatoky tanteraka ny aminny fiainana mandrakizay izay efa antenainy fa tena tsara alavitra mihoatra nohonny fahasambarana rehetra ety an-tany. Ankehitriny dia raiso ny fanapahan-kevitra matotra ao am-ponao handeha aminilay lalana tery sady hety izay mitondra anao ho any an-danitra, tsarovy fa eo am-pelatananilay ratsy avokoa na izao tontolo izao na ny nofonao nefa raha olona feno fandava-tena sy fahavononana ho aminny famonjena ianao dia tsy ho voasakani satana velively. Ny teny rehetra izay novakianao tao anatinity boky ity dia nentina hanampy be dia be anao mba hisisika aminizany lalana hety sy tery izany koa aoka mba tsy ho mpamaky fotsiny ianao fa ho tena mpanatanteraka izay voarainao rehetra tato aminny fiainanao. Homba anao anie ny Tompo. Amen!

Ity boky ity dia hamolavola anao hahafantatra ny lalan-kizorana ho aminny maha tena zanakAndriamanitra marina anao, hahafantaranao ny hasarobidinny famonjena izay efa vitani Jesosy Kristy ho anao (1 Pet 1:18-19), ary hahatonga anao ho tena hahafantatra ny lanjanao (valeur) eo anatrehanny fanjakanny lanitra sy ny fanjakanny aizina ary izao tontolo izao. Ho fantatrao aminny alalanny famakiana ity boky ity ny harena tsy hita pesimpesenina ao aminny Tompo izay tsy fantatrizao tontolo izao akory hatraminizay. Ny Fanahy MasinAndriamanitra anie hanokatra ny masom-panahinao sy hanome anao fifaliana ary faharetana eo am-pamakiana ity boky kely ity ka hitondra fahasoavana tsy hay tononina aminny fanahinao aminny anarani Jesosy Kristy TompoAmen.

NY FIBEBAHANA
I -Ireo karazam-pahotana mila ibebahana 1-Ny fahotana fantatra Rehefa mahafantatra ny famonjeni Jesosy Kristy ny olona iray dia mahatsapa fa tsy mendrika izy . Inona no maha tsy mendrika azy? Tsapany ny fahalotona mitambesatra aminy , vokatr ireo fahotana vitany , miharihary ao am-pony ireo fomba fanao sy fiteny ary toetra izay tsy mendrika niainany hatraminizay. Ny olona iray izay vonona hibebaka dia ho tahakan ny olona iray mihoso-potaka hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladiha eo anoloanny ranobe sy ny savony ary handray fahadiovana aminny alalanny fisas na . Mazava tsara fa tsy manana fiadanana izany hoe olona feno loto izany , tsy afaka manao izay zavatra tiany hatao amin-kalalahana izy fa na ny hiditra hividy zavatra ao anaty trano fivarotana iray aza toa manahirana azy ,voahilika eo aminny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona ary voasokajy ho mahantra na voretra . Toa izany ny olona izay mitoetra ao anaty fahotana , mahatsapa ny elanelana misy azy sy Andriamanitra izy satria masina ny Tompo ary ny fahotany dia loto manakana azy tsy hahita ny VoninahitrAndriamanitra, toa miady irery sy miantehitra aminny herinny tenany , nefa toa tsy mahita fiadanana sy fahombiazana ary fahafahana . Toa tsy mihaino azy Andriamanitra ka na ny mivavaka aza tsy ataony satria tsy misy valiny.

Tsarovy fa mbola eto aminizao tontolo izao isika ary mbola mitafy nofo aman-dr, tsy maintsy misakafo, mitafy, mila fivezivezana aminny toerana maro samy hafa, snsHo sahirana isika raha tsy misy ny mpamboly, mpiompy, mpampianatra, dokotera, mpitatitra, snsety antany. Ny asa fivelomantsika koa dia efa nametrahanAndriamanitra vision ao anatintsika. Ohatra: ny mpitatitra dia maniry ny hampitombo ny isanny fiara ampiasainy, ny mpamboly dia maniry ny hitomboanny vokatra vokariny, ny mpivarotra dia maniry ny hanitatra ny varotra izay ataony, ny Pasteur manao izay hitahirizana sy hampitombo ny mpino ao aminy, sns Matetika ny olona manana tanjona hampitombo ny fihariany dia mahomby aminny zavatra izay ataony. Tsarovy anefa fa tsy avy aminizy ireny izany tanjona izany fa avy aminAndriamanitra, raha miheritreritra isika hoe nahomby ve i Pel ilay mpanao baolina kitra malaza eran-tany raha nanao mpivarotra? Nahomby ve i Benny Hinn ilay evanjelisitra malaza eran-tany raha nanao boxe? Ny vision manokana dia ho tanterahanAndriamanitra tokoa rehefa mahatoky sy vonona aminny vision ara-panahy ny olona iray. Ny vision ara-panahy dia tsy entina hampidiram-bola fa entina ampiasna ny vola ho aminny asanAndriamanitra. Ny vision manokana ao amintsika kosa dia ho tahianAndriamanitra be tokoa mba ahafahantsika manohana ara-bola ny asa rehetra aminny vision ara-panahy ao anatin-tsika.

Fantatsika fa ny fiangonana no tenanI Kristy ary isika kristiana no fiangonana, raha kristiana ianao dia tokony hanana ny fiangonana misy anao. Tsarovy fa ny fiangonana iray dia tsy maintsy manana ny vision ao aminy ary manana anjara aminizany ianao, tsy maintsy mitombo ny olombonjena, tsy maintsy mitatra ny fiangonana, misy ireo marary mila fanasitranana, misy ireo vola tsy maintsy ilaina aminny fitaovana maro samy hafa ao am-piangonana, misy ireo ampahorianny devoly mila fanafahana, misy ireo olona mbola ivelanny vala mila taomina ho ao ambalani Jesosy Kristy, misy ireo trano fiangonana vaovao tsy maintsy atsangana, misy ireo mahantra tsy maintsy tohanana, ny reraka hampaherezina, ny mifatotra vahana, ny mitanondrika asaina mitraka, misy tokantrano rava mila harenina, sns Aiza aminireo no niantsonAndriamanitra anao? Ny hosotra ao anatinao dia hahafahanao hamita tsara ny tanjonAndriamanitra(vision) ao aminao, ary ny fandraisanao andraikitra aminizany no hitombonny fitahiana rehetra aminny fiainanao (fahasalamana, herim-panahy, fiadanana, vola, sns)(1 Tes 4 :1). III-Ny vision manokana (asa fivelomana) Tsy nataonAndriamanitra nitovy daholo ny asa ety an-tany, angamba mety ho sahirana isika raha Pasteur daholo ny olona rehetra na mpampianatra daholo ny olona rehetra. Nozarazaraina ho samy hafa ny asa rehetra mba hisianny firindranny fiainanolombelona.

Ny olona vonona hibebaka marina dia tena tofoka tanteraka aminny ota nandoto azy hatraminizay ary resy lahatra fa Jesosy Kristy efa nitondra famonjena ho azy ary ny r masini Jesosy Kristy dia afaka ny hanadio azy eo no ho eo. Matetika dia ireo ota tena misongadina ary efa tianilay olona hialna hatraminizay nefa tsy fany noho ny famatoranny devoly no atao hoe fahotana fantatra .Ohatra: teny ratsy , fijangajangana , fisotroan-toaka sy fifohana zava-mahadomelina , lainga , loka , fitiavana lanonanizao tontolo izao,sns Ny ota fantatra dia ireo zavatra fanao efa fantatrilay olona fa tsy araka ny sitraponAndriamanitra na dia taminizy mbola tsy nanolo-tena ho ani Jesosy aza , fa aminny fotoana hibebahany no ananany hery sy fanapahankevitra hiala aminizany , ary ny rni Jesosy no manadio azy ho afaka aminny fahalotoany rehetra 2-Ny fahotana tsy fantatra Ny olona iray izay efa nanalo-tena ho ani Jesosy dia mbola manana izay toe-panahy na fomba nanabeazana azy hatraminny fahakeliny .Mety notezainny ray aman-dreniny taminny fihatsaram-belatsihy na fitiavantena na fahasiahana na mpanamari-tena na toetra ratsy hafa ilay olona. Tsy maintsy miezaka mandini-tena mandrakariva ny olona iray na dia efa nahavita fanoloran-tena ho ani Jesosy aza, matetika mantsy ny olona iray dia mihevitra fa rehefa nanolo-tena ho ani Jesosy izy dia efa tena madio tanteraka.

tena ho ani Jesosy izy dia efa tena madio tanteraka. Matetika dia aminny alalanny toriteny sy ny teninAndriamanitra ao aminny baiboly ary ny anatra ataonireo olona efa manana fahamatorana ara-panahy no ahafantarana ireo toetra miafina izay mitondra fahotana tsy fantatry ny olona efa nanolo-tena. Ny fibebahana dia mitohy mandrakariva mandritry ny andrompiainanny olona iray arakizay toetra tsy araka ny sitraponAndriamanitra ao aminy.Matetika dia ataonny olona ambanin-javatra ny tsy fankatoavana na ny tsy fanatanterahana ny fitarihanny Fanahy azy tahaka izay nataonI Jona(Jona 1:3) sy Saoly mpanjaka(1 Sam 13:13-14),nefa tena fahotana lehibe eo anatrehanAndriamanitra tokoa izany ka mila hibebahana. 3-Famelana ny heloky ny hafa Hoy ny vavaka nampianarinny Tompo: mamel ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay(Mat 6:12).Tsy manan-jo handray famelan-keloka ny olona iray raha tsy mamela ny heloky ny hafa. Tsarovy fa kely dia kely ny heloka nataonny namanao taminao mihoatra ny heloka rehetra vitanao izay navelanI Jesosy taminny alalanny nandrotsahany ny rny sy nanolorany ny ainy teo ambony hazo fijaliana (Efes 1:7). Jesosy koa dia niteny hoe:tiava ny namanao tahaka ny tenanao(Mar 12:31),sy ny hoe: didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo(Jao 13:34), ny fitiavana no lehibe indrindra(1Kor 13:13) ary ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay(1 Kor 13:8a). Ahoana no hilazanao fa manam-pitiavana ianao raha tsy mamela ny heloky ny namanao?

VISION HOSOTRA

= =

ILAY TRANO HATSANGANA VOLA HANANGANANA TRANO

Mazava tsara fa raha tsy manam-bola ny olona iray dia tsy mihevitra hanangana trano mihintsy izy; dia toy izany koa ny olona tsy manana hosotra dia tsy hanana vision mihintsy. Mety hanam-bola koa anefa ilay olona fa aleony ampirimina fotsiny izany ka rehefa maty izy dia ny olona no mitavana fotsiny ny volany fa izy kosa mety velona tao anaty fihafiana.Dia toy izany koa ny olona nandray hosotra nefa tsy nanatanteraka ny visionny satria tsy mba nigoka ny fahasoavana be izay tokony nomenAndriamanitra azy, ary tsy nahita ny fisehoanny voninahitrAndriamanitra taminny fiainany.

II-Ny vision ara-panahy (asanAndriamanitra) Ny olona rehetra dia tsy maintsy manana vision ara-panahy avokoa, diso hevitra isika raha mihevitra fa ny olona toy ny Pasteur, evanjelisitra, mpiandry, sns ihany no tokony hanana vision ara-panahy. Iankinanny fahombiazantsika aminny fiainana manontolo izany satria raha tonga eto an-tany isika dia izay zavatra ao aminAndriamanitra no tena antompahavelomantsika(Jer 1 :5).

NY TANJONANDRIAMANITRA AO ANATY NA NY VISION


I-Inona no atao hoe vision? Raha misy olona iray hanangana trano dia misy zavatra roa tsy maintsy ao aminy: -Ny fieritreretana ao an-tsaina ny endrikilay trano hatsangana. -Ny vola hananganana azy. Tsy misy olona hanangana trano ka tsy nieritreritra ny endrika sy ny habenny trano izay atsangany, matetika aza hatraminny pitsopitsony madinika ho hita eo aminilay trano dia efa alainy sary an-tsaina sahady na dia mbola tsy mitsangana akory aza izany trano izany. Ny vola koa dia tsy maintsy efa vonona eo am-pelatanany satria maro ireo olona samy manana ny fahaizany hitambatra hanangana izany trano izany ka tsy maintsy karamaina, eo koa ireo fitaovana maro samihafa izay tsy maintsy vidiana handrafetana ny trano. Toy izany mihintsy ny vision. Tsy maintsy fantatsika dieny aty amboalohany ny tanjonAndriamanitra aminny ho avintsika, tsy isika anefa no mamorona izany fa Andriamanitra no efa nahalala izany na dia fony isika mbola tsy teraka aza(Jer 1:5). Aminny fotoana handraisana ny batisanny Fanahy Masina dia tonga eo aminny tanjona iray (vision) hanangana zavatra lehibe ao aminAndriamanitra ny olona iray, toy ny olona iray manana fikasana hanangana trano lehibe iray.

Ianao ve dia manantena ny hiditra any an-danitra aminny tsy famelana ny heloky ny namanao? Mamita-tena ny kristiana tsy mahay mamela ny heloky ny hafa satria izy ihany no hizaka ny voka-dratsinizany.Tokony ho fantatsika fa ny zavatra tsy mety ataonny olona amintsika dia aminAndriamanitra no ataony voalohany,ary raha Andriamanitra aza mamela azy dia tokony ho mora amintsika koa ny mamela azy. 4-Fifonana aminizay olona manana alahelo aminny tena Ny teninAndriamanitra dia manambara amintsika fa raha azo atao dia mihavna aminny olona rehetra(Rom 12:18).Marina fa mety tsy ho fahadisoanao ny nahatonga fanafintohinana taminny namanao taminny zavatra nataonao.Noho ny teninAndriamanitra anefa dia ilaina ny mifona aminy mba hadio aminao ny fony. Ny teninAndriamanitra dia milaza hoe: mandefera na dia aminny tsy rariny aza(1 Kor 6:7), ary tombony ho anao ny manatanteraka izany. Raha tena anao kosa ny fahadisoana na taloha na taorianny fanolorantenanao dia aza mitaredretra mangataka fifonana aminny namanao mba ho afa-tsiny eo anatrehanAndriamanitra sy ny namanao ianao.

II- Ny fomba ahafantarana fa voavela heloka 1-Afaka aminny fanamelohan-tena Matetika no misy fisalasalana ao anatinny olona rehefa avy mibebaka sy manolo-tena ho ani Jesosy izy . Maro ireo fanontaniana iandrasany valiny ao anatiny, ireto misy santionany vitsivitsy. Voalohany dia hoe tena voafafa tanteraka ve ireo otany rehetra? Afaka ny hamindra fo aminy ve Jesosy nefa tena misy fahotana izay tena noheveriny fa tena faranizay mamoafady efa nataony? Moramora toy izany ve dia mahazo famelankeloka? Tsy tokony hisy vidiny lafo ve vao afaka mahazo famelan-keloka? Sns Ny tsy fananana valiny mazava aminireo fanontaniana ilanny olona valiny ireo no mahatonga azy ho latsaka aminny fanamelohan-tena . Ny marina dia tsy ampy finoana sy tsy tena mahalala marina ny fitiavanAndriamanitra ny olona toa izany, tsy misy fetrany ny fitiavanAndriamanitra ary tsy misy ahazoana sitraka aminy raha tsy aminny finoana .Heb:11:6 Matetika dia ny herim-panahy ao anatinny evanjelisitra mitory ny fibebahana no mandresy lahatra ny olona ho tena tonga ao anaty finoana sy ny faharesena lahatra ny aminny fitiavanAndriamanitra marina, ka mahatonga azy ho afaka aminny fanamelohan-tena. Ny fahamarinanny teninAndriamanitra no manafaka antsika tsy ho andevo , fa ny devoly dia mpandainga no sady rainny lainga(Jao 8:44) , ka mandefa zana-tsipika mirehitra ao an-tsainny olona izy manambara fa mbola tsy voavela ny helony.

-Manome finoana mahery vaika aminny asa atao.-Mitaridalana isanandro aminny zavatra tokony atao. -Mampitombo ny fitiavana ao anaty. Ny olona miasa ao anaty hosotra dia kely ny ezaka fa lehibe ny vokatra satria Andriamanitra no miasa ao anatiny, fa ny asa tsy misy hosotra kosa dia be dia be ny ezaka fa kely ny vokatra satria izy no miezaka aminny herinny tenany, ary mety hiafara aminny fihemorana aza izany.

III-Inona no ilna ny hosotra? Ny asa fanompoana izay ataontsika ao aminny Tompo dia tsy vitanny saina na ny tanjaka ananantsika satria eo aminny sehatry ny fanahy no iasana (Zak 4-6). Tsarovy fa ny fahavalo dia tena masiaka sy tena ratsy tokoa ka tsy hamindra fovelively aminizay olona vonona hifanandrina aminy . I losifera (satana) dia anjely tena ambony toerana tany an-danitra talohanny nivadihany taminAndriamanitra. Niaraka nioko taminy ny1/3 nny anjely tany an-danitra ka ireo no lasa devoly ankehitriny. Hitantsika aminizany fa raha tsy ombanny herinAndriamanitra isika dia tsy hahaleo velively ani satana fahavalo sy hatanteraka ireo tanjona tiantsika hahatongavana aminny asa rehetra ao aminny Tompo (Rom 8:37). Ny antony ilantsika ny hosotra dia ny famelana anAndriamanitra hiditra an-tsehatra tanteraka aminny asa rehetra izay niantsony antsika (Fil 2:13). Toa izao ny fomba iasanAndriandriamanitra aminny alalanny hosotra ao anatintsika: -Mitondra fifaliana sy fahazotoana aminny asa atao. -Manome fahazavan-tsaina sy tolo-tsaina ary fahendrena aminny asa atao. -Manome herim-panahy sy fahefana lehibe aminny asa atao. -Mametraka ny tanjonAndriamanitra (vision) ao anaty. -Manafoana ny fahakiviana rehetra fa mampitoetra aminny fahatokiana tanteraka.

Tsy azo atao ny mamerimberina fifonana aminny heloka iray , fa manambara tsy finoana izany, nefa ny tsy finoana dia fahotana eo anatrehanAndriamanitra(Rom 14:23b). HenonAndriamanitra ny fifonanao na dia indray mandeha fotsiny aza, fa ny finoanao no tena zavadehibe eo anatrehany. 2-Afaka aminny lolom-po Tokony hisolo fitiavana ny fankahalana taloha tao anatinny olona voavela heloka, tokony ho tsapany fa tena misy fifaliana ao anatiny rehefa mahita ny olona izay tsy tiany taloha izy(1Jao 4:12). Mahatonga fihatsaram-belatsihy eo aminny kristiana ny fisehoana ivelany fotsiny fa namela heloka . Ianao ihany dia efa mahatsapa fa tena namela ny heloky ny namanao ianao na tsia satria ianao sy Andriamanitra irery no mahalala ny toe-ponao . Rehefa mifanatrika aminilay olona izay nanananao alahelo teo aloha ianao , faly ve ianao sa tsy faly? Ataonao ve izay tsy hihaonana aminy sa tsy mampaninona anao ny mahita azy matetika? Ianao ihany no mamaly izany ao am-ponao. 3-Fananana fitsaharana Hoy Jesosy hoe mankanesa aty amiko ianareosy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana (Matio 11:28), nanome toky Jesosy hoe hanome fitsaharana . Ny olona voavela heloka dia manana toky ao anatiny fa Jesosy Kristy no efa mandray an-tanana tanteraka ny fiainany , Jesosy no antonny zavatra rehetra sy amboninny zavatra rehetra (Rom 11:36).

Izy no tomponny fahefana ambony indrindra( Mat 28:18) sady Mpanjakanny mpanjaka(Apok 19:16) . Inona no tokony mbola hatahoranny olona nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy aminny fiainany? Ao aminny Isaia59:1-2 dia tokony hanananny olona voavela heloka toky fa mitsotra aminy ny tnanAndriamanitra ary mihaino azy Izy satria efa voavela ny helony. Tokony ho tena feno fitsaharana ny olona voavela heloka satria efa eo am-pelatananAndriamanitra ny fiainany rehetra(Isaia 43:13). 4-Fahaizana mitia ny olona rehetra Ny olona voavela heloka dia mahatsapa tanteraka ilay fitiavanAndriamanitra ao anatiny(1jao 4:7) , miharihary eo anoloany ny famatorana mahazo ny olona mbola mitoetra ao anaty fahotana sy ny fahalotoana manodidina azy , tsy mora manameloka ny hafa intsony izy fa efa hainy ny manavaka ny asanny devoly sy ny olombelona , ary lasa tia ny olona rehetra tahaka ani Jesosy izy(2 Pet 1:7) Tsy mahajanona hanava-tena eo anatrehanny olona rehetra izy fa tsy maintsy hiezaka hizara ilay fitiavanAndriamanitra aminny olona rehetra. Tsy mila hianarany izany , fa toa lasa toetra niforona ho azy tao anatiny(1 Jao 2:27).

-Manome voninahitra mandrakariva anAndriamanitra aminny asany rehetra (1 Sam 2 :30b). -Manao ny sitraponAndriamanitra ho amboninny zavatra rehetra (Asa 5 :29). -Manana tanjona aminny asanAndriamanitra (Jer 1 :5). -Vonona sy tia hampandroso tsy misy fepetra ny fiangonana sy ny asanAndriamanitra (1 Kor 14 :12). -Tsy tia misalovana na mitsikera ny andraikitry ny hafa ao am-piangonana (Rom 12:3). -Feno vavaka sy teninAndriamanitra (Kol 4:2,Sal 119:11). -Mahay misaotra aminny zavatra rehetra satria matoky ny fitiavanAndriamanitra (1 Tes 5:18). -Mahatsapa ny maha tsinotsinona azy fa Andriamanitra no antonny fahombiazany (Fil 3 :7-9). -Vonona hampiasa ny hosotra nomena azy araka ny sitraponAndriamanitra (Lio 4:18-19). -Mahafoy ny zavatra rehetra ho anAndriamanitra (Lio 14:33).

II-Iza no olona afaka mandray hosotra? Tsarovy fa tena sarobidy ary tena masina ny hosotra eo anatrehnAndriamanitra ary tsy misy ety an-tany azo ampihoarina aminny fahalafosany. Mino aho fa tsy misy olona manana vola iray miliara ka asainy tehirizinolona tsy fantany na olona tsy marina tsy azo ametrahana fitokisana , tsy maintsy malina izany olona izany ka hijery izay olona marina sy hendry ary matoky azony hametrahana fitokisana hitahiry ny volany. Jesosy koa dia nanao fanoharana ny aminny talenta izay manambara ny hosotra, ny zavatra izay tena nanaitra dia ny nanipazana ilay mpanompo nandevina ny talentany tany aminny helo(Mat 25:30). Hoy Jesosy hoe izay matoky aminny kely no atao ho mpanapaka ny be (Mat 25:21), fa ilay tsy matoky kosa dia efa fantatsika rahateo izay nahazo azy araka ny baiboly. Tena sarobidy aminAndriamanitra ny hosotra ary tena mahasarotiny Azy mihintsy ka tena mila raisina aminny tahotra sy ny hovitra. Ireto misy toetra vitsivitsy takiana aminny olona afaka handray ny hosotra : -Marina sy matoky (Mat 25:21). -Tena tia anAndriamanitra sy tia ny olona rehetra (Mar 12:30-31). -Feno fanetren-tena sady tsy mitady ny voninahitry ny tenany (Jak 4:6).

5-Faharesen-dahatra hanao ny asanAndriamanitra Rehefa afaka ilay demoniaka tao Gadarena dia nasaini Jesosy hanambara izay zavatra nataony taminy tany aminny tanna maro samihafa izy (Lioka 8: 38-39). Ny olona afaka dia tsy voafehy fa maika hanambara ny famonjeni Jesosy Kristy aminny olona rehetra , maika izy hanafaka ireo olompantany rehetra izay mbola andevozinny fahotana , miova tanteraka ny fomba fijeriny izao tontolo izao , ary mihanjahanja eo anatrehany ny fahorianireo olona mbola andevozinny devoly aminny fahotana . Fantany ny llam-pamonjena ka tsy misy hahasakana azy tsy hanambara izany aminny olona rehetra.(Rom 8:35). 6-Fitiavana anAndriamanitra Ny didy lehibe indrindra napetraky ny Tompo dia ny fitiavana anAndriamanitra aminny fo rehetra, aminny saina rehetra, aminny fanahy rehetra, ary aminny hery rehetra. Sarotra aminny nofo ny hanatanteraka izany raha tsy ho anny olona tena voavela tanteraka aminny fahotany rehetra ka nahatsapa ny hasarobidinny famonjeni Jesosy Kristy.

FANOLORAN-TENA
I-Fahavononana hanao ny sitraponAndriamanitra 1-Fandava-tena mivavaka aminny fotoana matotra Daniela dia nivavaka in-3 isanandro taminAndriamanitra(Daniela 6: 11) , Elia dia olombelona tahaka antsika ihany fa nahery nivavaka izy(Jakoba 5: 17-18) , Jesosy Kristy dia feno vavaka mandrakariva tety antany ary ankehitriny aza izy dia mbola mifona ho antsika eo an-tnana ankavananAndriamanitra Ray(Romana 8: 34) . Ny vavaka dia lavinny nofontsika(Mat 26 :41) , nefa ny nofo tsy handova ny fiainana mandrakizay , fa ny fanahintsika no maharitra mandrakizay. Mila manana fandavan-tena mivavaka ny kristiana ary tokony hanana fotoana matotra aminny fanatanterahana izany isanandro , izany no hanaporofoana eo anatrehanAndriamanitra fa tena ambony indrindra amintsika izy, ary ho fanehoana ny fandresentsika ny nofontsika . Ny fifandraisantsika mandrakariva aminAndriamanitra no ananantsika fiadanana (Joba22:21) .Mila tehirizina mandrakariva ao anatintsika ilay fitsaharana sy fiadanana izay noraisina taminny fanolorantena tany am-boalohany . Mitombo aza izany rehefa mahatoky eo anatrehanAndriamanitra isika , aminny alalanny fifandraisana ambavaka Aminy mandrakariva(Lio 18:1) .

Ny dikanizany dia tonga taminI Jesosy ny hosotra avy taminAndriamanitra Ray mba ahafahany hanomboka ny asa izay nanirahany Azy, tao anaty fifadian-kanina Jesosy dia inoana marimarina fa tena nanana fifandraisana be taminAndriamanitra Ray ary nandray ny iraka sy ny praograma rehetra ary ny hery ahafahany mandeha tsy mivoana aminny sitraponAndriamanitra aminny asa fanompoana ataony. Ny fahombiazanny kristiana iray izay vao nandray ny batisanny Fanahy Masina dia tsy maintsy manaraka izao dingana izao: -Fahafantarana ireo fanomezam-pahasoavana (dons spirituels) -Fahafantarana ny hosotra nomenAndriamanitra (onction) -Andraikitra aminny asanAndriamanitra mifanaraka aminilay hosotra (ministre) -Toerana hanaovana ilay asanAndriamanitra (fiangonana na fikambanana) -TanjonAndriamanitra aminilay asa atao (vision) Ny hosotra dia hery sy fahendrena manokana nomenAndriamanitra olona iray taminny alalanny batisanny Fanahy Masina ho aminny andraikitra sy tanjona iray izay tianAndriamanitra ho tanteraka (ohatra :ao am-piangonana, na eo aminny firenena, eny fa na manerana izao tontolo izao mihintsy aza) (Asa 1-8).

NY HOSOTRA
I-Inona no atao hoe hosotra? Matetika isika dia mahatsikaritra ny tsy fitovianny fahombiazana eo aminny samy mpanomponAndriamanitra sy ny samy fiangonana maro samihafa, misy ny tena ao anaty fandrosoana tanteraka na dia toa tsy tena hita aza ny ezaka be ataony, eo kosa anefa ireo izay tsizarizary na dia toa hita fa tena manao izay ho afany aza. Fantatsika anefa fa tena tianAndriamanitra ny hahita ny mpanompony sy ny fiangonany ho ao anaty fahombiazana tanteraka. Misy olona efa nandray ny batisanny Fanahy Masina nefa mbola mahatsiaro fa voasakana ny asa fanompoana izay iandreketany, matetika dia any aminny fifadian-kanina sy ny fiaretan-tory ary ny vavaka lavareny no entinny kristiana hanerena ny asany ho aminny fahombiazana sy fahavokarana, tsy hoe ratsy izany fa misy zavatra tsy ampy ao!!! Tsarovy fa tsy antsika ny asa fa anAndriamanitra. Jesosy aza niteny hoe tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitraponIzay naniraka Ahy (Jaona 5:30). Andriamanitra no manendry sy mitarika ary mametraka antsika ao aminny antso izay Tiany iantsoana antsika aminny alalanny Fanahiny Masina, hoy Isaia hoe: tahaka ny tanimanga eo ampelatananny mpanao azy isika (Isaia 64 : 7); Rehefa vita batisa Jesosy dia nidina tao aminy toy ny voromailala ny FanahinAndriamanitra ary nisy feo avy any an-danitra nilaza hoe Ity no Zanako Malalako Izay sitrako(Matio 3: 16-17).

2-Fandavan-tena hamaky ny teninAndriamanitra Fanilonny tongotro sy fanazavana ny llako ny teninao hoy Davida( Salamo 119: 105) ary Jesosy koa dia nanamafy fa tsy ny mofo ihany no ivelomanny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavanAndriamanitra( Matio 4: 4) . Tena zava-dehibe aminny fiainam-panahinny kristiana ny teninAndriamanitra , hitarafana ny toetra tsy mendrika ao anatintsika mba hizorana aminny fanavaozana ny toetra ho tena tsara ao aminny Tompo(Sal 107:20) , mampahery ao anatinny fahoriana sy ny fizahantoetra(1 Kor 10:13) , manome toky ny aminny fandresena eo anatrehanny ady aminny devoly( Rom 8:37) , mampitombo ny fahafantarantsika anAndriamanitra sy ny fitiavany(Jao 3:16) , ny famindrampony (1 Pet 1:3), ny heriny(Rom 11:36) , ny fahalebiazany(Jer 32:27)) , ary mampitombo ny finoantsika(Jao 11:40). Hitantsika aminizany fa ho maty antoka tokoa ireo olona kamo hamaky ny teninAndriamanitra. Tsarovy fa izay zavatra hitanny devoly fa mety hampahomby anao dia sakanany avokoa , fantany fa tena hahery ao aminny Tompo ianao rehefa feno ny teninAndriamanitra ka dia ataony izay tsy hanananao fotoana hamakiana ny baiboly , na rebirebeny aminny zavatra maro samihafa ianao mba tsy hahavita hamaky baiboly ohatra : tlvision , resadresaka , raharaha sy asa .sns

Manna fanapahan-kevitra hentitra ianao hamaky toko 2 ao aminny baiboly farafahakeliny isanandro ary ataovy izay tena andraisanao zavatra mafonja aminizany fa aza atao zara fa voavaky fotsiny(Isaia 55:1-3). Hanampy be dia be anao izany aminny fandrosoanao ara-panahy. 3-Fandraisana anjara-fanompoana ao am-piangonana Tsarovy fa isika fiangonana no tenani Kristy(1 Kor 12:27-30) , ao aminny Jaona15:7 dia milaza hoe raha miray Amiko ianareo izany hoe ny anjara fanompoana ataontsika ao aminny fiangonanAndriamanitra no mampiray sy maha tenani Kristy antsika . Nozarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana ao amintsika ary miara-miasa izany hahasoa ny fiangonana (1 Kor 12:4-6) . Tsy tokony ho banga ireo ministera rehetra aminny asanAndriamanitra ao am-piangonana , tsarovy fa misy hosotra ho anny olona rehetra izay nanalo-tena ho ani Jesosy Kristy (1Jao 2:20) ary isanizany ianao , aza mionona fotsiny aminny fahatongavana any am-piangonana fa tsy mampandroso anao izany. Ilaina aminny fanehoana ny voninahitrAndriamanitra ianao (Efes 1:3-6). Ny tsy fananana anjara fanompoana ao am-piangonana dia sehatra iray azonny devoly hararaotina entina haminganana ny kristiana, satria tsy afaka maneho ny tena herinAndriamanitra aminny asany izy , ary tsy tafatoetra ao anatinny firehetana marina aminny fitiavana hampandroso ny fiangonana sy ny asanAndriamanitra(1 Kor 14:12).

mandra-pahatonganny fahataperanizao tontolo izao(Matio 28: 18-20). Ireto avy no tena nisongadina taorianny Pantekosta : -Tsy misy intsony ny tempoly natao tanana fa isika no tempolinAndriamanitra (1 Kor 3:16). -Mipetraka eo an-tanana ankavananAndriamanitra Jesosy(Rom 8:34), ary naniraka ny Mpananatra na ny Fanahy Masina (Jao 14:16-17) hiasa ao anatintsika izy. -Natsangana ny fiangonanny olo-masina rehefa tsy nisy intsony ny tempoly natao Tanana (Mat 16:18-19). Voarindra tsara anefa ny fomba nentinAndriamanitra hampiasana ny olona aminny alalanny Fanahy Masina ka nozarazarainy ho tonga fanomezam-pahasoavana aminny olona tsirairay avy izany, ka mifameno sy miara miasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo ho fampandrosoana ny fiangonananny olo-masina (1 Kor 12:4) teo ny nomena teny fahendrena, teo ny nomena teny fahalalana, ny sasany finoana, ny sasany fanasitranana, ny sasany ny manao fahagagana, nisy koa ny maminany, ny mamantatra fanahy samy hafa, ny miteny aminny fiteny tsy fantatra, ary ny mandika ny fiteny tsy fantatra (1Korintiana 12:7) Rehefa atao kisarisary ny vokatry ny batisanny Fanahy Masina dia toa izao : BATISANNY FANAHY MASINA = HERY AVY ANY AMBONY = FANOMEZAM- PAHASOAVANA

NY BATISANNY FANAHY MASINA


Nanafatra ny mpianatra Jesosy mba hijanona ao Jerosalema mandrapanafy Hery azy ireo avy any ambony (lanitra). Inona moa ilay Hery izay nambarani Jesosy? Ny andronny Pantekosta dia niara-nahita ny valiny ireo mpianatra fa ny Fanahy Masina no nambarani Jesosy ny aminilay Hery avy any ambony (Lio 24:49). Ny batisanny Fanahy Masina dia niantomboka taminny andro Pantekosta(Asa 2:1-4). I Jaona mpanao batisa dia nanambara ny amini Jesosy fa Izy no hanao batisa ny olony aminny Afo sy ny Fanahy, maro anefa no tsy mbola nahazo marina ny tena hevitrizany tenini Jaona mpanao batisa izany nandritra ny fotoana mbola nanaovani Jesosy ny asany tety an-tany, satria mbola tsy nitriatra ny efitra nampisaraka ny fitoerana masina indrindra sy ny fitoerana masina tao aminny tempolinAndriamanitra, mbola tsy nisy ny fiangonana, ary mbola tsy niakatra tany an-danitra Jesosy. Tsy mbola tao antsainny mpianatra fa ho lasa tempolinAndriamanitra izy ary hahavita ny asa nataoni Jesosy eny mihoatra izay efa nataony aza (Jao 14:12). Taminny andro Pantekosta no nivaly taminireo mpianatra ny fanontaniana niandrasany valiny hatraminizay. Nanomboka teo ny asa izay efa nambarani Jesosy taminireo mpianatra ( izay lasa nantsoina hoe Apostoly) fa tokony hataony rehefa nandray ny batisanny Fanahy Masina izy ireo, dia ilay tenini Jesosy hoe mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra(Mat 28:19), ary efa nambarany mialoha taminny mpianatra koa fa homba azy Izy (Jesosy)

II-Fialna aminny ratsy 1-Fankatoavana ny teninAndriamanitra Fanilonny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao(Salamo 119: 105) , izany tenini Davida izany dia manambara fa tahaka ny olona iray mandeha ao anaty aizim-pito ary mila hazavana hitsilovana ny lalana hizorana isika olombelona . Mety hisy hantsana , lavaka , loto , fandrika ,biby masiaka ,sns eny aminny llana handehanantsika ka raha sanatria tsy hitantsika izany dia mety ho loza mahatsiravina ny ho vokany. Izao tontolo izao dia azo ampihoarina aminny llana maizim-pito hizoranny olona (Jaona1:5) . Feno fandrika , fahadisoam-panantenana , fahoriana , fahapotehana , snsanefa ny lalana izay hizorantsika, ka maro ireo olona no tratranny famoizam-po sy fahadisoam-panantenana ary miafara any aminilay hantsana misy farihy mirehitrafo maharitra mandrakizay dia ny helo izany(2 Pet 3:14-16). Ny teninAndriamanitra no hahafantaranny olona ny llana marina mitondra azy any aminny fiainana(Jao 17:16-17) . Na dia maro aza ireo fandrika entini satana eo aminny llantsika dia ny teninAndriamanitra no manazava ny saina ho afaka aminizany , hoy Jesosy Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana .(Jaona 14 :6) Tsy natao henoina fotsiny ny teninAndriamanitra fa natao hiainana sy ampiharina eo aminny fiainana (Ohab 4:20-22), hanitsiana ny toetra tsy mendrika(Efes 2:1-10) , handresena ny tahotra(Sal 34:4) , hananana fitiavana(1 Jao 4:19) ,

mampitombo ny finoana(Jao 11:40,Lio 17:5-6) , hananana ny fahatahorana anAndriamanitra(Heb 10:31) , mitondra fanetre-tena( Ohab 29-23 ,Lio 18:14)sns Isaky ny mahare na mamaky teninAndriamanitra ianao dia tokony hisy fahazavana ao anatinao. Aoka tena hivaingana mihintsy ny vokatra entinny teninAndriamanitra ao aminao fa misy antony daholo ny teny matoa renny sofinao , aza manao hoe efa fantatro izany na hoe izaho mihintsy no asiani pasitera aminizany toriteny izany, na hoe tsy misy Fanahy Masina io mpitoriteny io fa mandeha aminny saina fotsiny . Tsarovy fa na ny boriky aza efa nentinAndriamanitra nananatra ny mpanompony(Nom 22:28-30) , tsy misy hahasakana anAndriamanitra hilaza ny sitrapony aminao rehefa mino ianao fa tena tia anao Izy. Hoy ny teninAndriamanitra Fantaro ny zavatra rehetra ; hazony mafy izay tsara!(1 Tes 5 :21)Matokia fa tsy maintsy misy zavatra tsara azonao raisina foana ny teninAndriamanitra norenesinao. 2-Tsy fiverenana intsony aminny ratsy Misy teny somary masiaka ao anaty baiboly milaza hoe ny amboa miverina indray aminny loany (2 Pet 2:22)misy olona voafitaky ny devoly aminny fibebahana sandoka , izay toa tsy nahazo fahatsapana marina fa tena voavela ny helony, matetika izy ireny dia mbola tena miraikitra aminny fahotana ny fony fa miezaka aminny herinny tenany tsy hanota, tsy maharitra anefa izany fa tsy maintsy miafara aminny fiverenan-dlana ihany ireny olona ireny raha tsy mibebaka marina (Heb 6:1-6).

Ireny olona ireny dia tahaka ireo mpianatra izay niala taminny Tompo rehefa nambara taminy ny tena fahamarinana avy any an-danitra. Ho fitehirizana antsika kristiana mandrakariva ao anatinny fahamasinana aminny Rny sy ny Teniny, ary ho fampiorenana sy ho fitahirizana ny fiangonana aminny fanantenana sy ny firaisan-tsaina ny aminny fihavianny Jesosy Kristy no antonny fandraisana ny fanasanny Tompo, niteny Jesosy hoe: izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy (1Korintiana 11:23-26).

Mila misakafo koa ny olombelona satria ny hanina hohanintsika no manome tanjaka sy fitomboana ho anny tena. Tena nazoto nanaraka ani Jesosy ny olona tany amboalohany satria voky ny nofony ary fantany fa afaka ny mamoky olona dimy arivo taminny mofo dimy sy hazan-drano roa Jesosy(Mar 6:41-42). Toy izany koa ny fanahy, ny ota dia loto ao anatintsika ary ny RnI Jesosy no manadio antsika ho afaka aminny fahotana(Efes 1:7). Hoy ny teninAndriamanitra hoe :fahafatesana no tambinny ota(Rom 6:23); ny olona tsy mandray ny rniJesosy dia itambesaranny fahotany ho any aminny fahafatesana faharoa na ny fahaverezana mandrakizay any aminny helo. Jesosy Kristy ilay Teny tonga Nofo (Jaona 1: 1), ny Nofoni Jesosy Kristy dia manambara ny TeninAndriamanitra izay mitondra tanjaka sy fitomboana ho anny fanahintsika mba hahery aminny asa tsara ao aminAndriamanitra. Araka izay hita tany am-boalohany fa ny nofo dia mandeha aminny fahitna fa rehefa tonga eo anoloan ny zava-panahy izy dia miala satria tsy azony izany. Izany no mora mampihemotra ny kristiana sasany satria mitady tombontsoanny nofo fotsiny no antony andehanany any ampiangonana. Ny tena tianiPaoly hambara ny aminny fanahy tsy mendrika (1Korintiana 11:27) dia ireo olona mbola ara-nofo fa tsy nateraky ny fanahy nefa sahy mandray ny fanasanny Tompo. Toa misy olona misotro sy mihinana izany tahaka izay misakafo any an-tranony na toy izay any aminny fety aman- danonanizao tontolo izao (1Korintiana11:20-22) fa tsy mahalala ny fahamasinanAndriamanitra sy ny zava-panahy.

Andriamanitra dia mpamantatra ny voa sy mpandinika ny fo(Jer 17 :10) , mamita-tena ny olona raha mbola tsy tena nahatsapa marina ilay fiadanana sy fitsaharana ary tafatoetra aminny fanavaozana ny saina (Romana12:2) azo avy taminny famelan-keloka sy ny nandraisany ani Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy aminny fiainany satria izany no porofo fa tena olom-baovao izy(2 Kor 5:17). Efa nambara tany am-boalohany aminity boky ity ny momba ny fibebahana, fa toy ny olona efa nahita mazava lehibe nefa miverina ao anaty aizim-pito indray ny olona efa nandray ani Jesosy ka miverindlana(Ohab 1:32) , angamba ny olona manana maso mahiratra tsy misy na dia iray aza ny maniry ho jamba , fa tahaka ny ahoana ny fanirianny jamba mba hahiratra? Tsarovy anefa fa tsy milavolefona hatraminny farany ny devoly hampihemotra ny kristiana efa miorina tsara ka izany no tokony hiambenana aminny vavaka sy ny teninAndriamanitra ary ny asa fanompoana rehetra ao aminny Tompo (jereo : fahavononana aminny sitraponAndriamanitra) (Lio 21:36)mandosira ny fakam-panahy(1 Tim 6:11) , tohero ny ratsy rehetra(1 Pet 5:8-9) , ialao ny asa tsy araka ny sitraponAndriamanitra na ny namana mpaniratsira tsy mety mibebaka fa izany no hampaharitra anao ho aminny fiainana mandrakizay(Tit 3:8-11). 3-Modely tsara aminny fitondrantena Ianareo no fanasinny tany, ianareo no fahazavanizao tontolo izao (Matio5:13-16) .Tsy ny teny ihany no entina handresena lahatra ny olona handray ani Jesosy fa indrindra ny toetra sy ny fitondran-tenantsika kristiana(Fil 1:27).

Misy teninAndriamanitra manambara hoe aza manaraka ny fanaonizao tontolo izao(Romana12:2) Fadisoan-kevitra ny miezaka ny ho tsara eo imasonny olona fa tsy anjaran-tsika izany . Iza moa ilay tena Mazava? Moa tsy Jesosy Kristy va?(Jao 1:9) Raha nantsoina hitondra fahazavana ho anizao tontolo izao isika dia tsy isika velively no mazava fa Kristy izay ao anatintsika. Mahaiza manetry tena sy mandini-tena aminny allanny teninAndriamanitra sy ny fanakianana maro samy hafa ataonny olona aminny tena, aza miezaka hiova aminny herinny tenanao ianao mba tsy ho latsaka aminny fihatsarambelatsihy , fa angataho ny Fanahy Masina hiasa ao anatinao hanova anao mba hitovy bebe kokoa amini Jesosy Kristy ka hahatonga anao hiteny tahaka ani Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko(Gal 2:20). Matetika dia ao anaty vavaka sy fifadian-kanina no hanavaozanny Fanahy Masina ny toetrantsika. 4-Fanonerana ny ratsy vita taloha Matetika ny olona iray dia tena nahavita be tokoa taminny fiainanizao tontolo izao (ohatra: fiaretan-tory taminny alim-pandihizana isankerinandro , fahafohizana vola taminny toaka sy lamaody ny sigara , nandany vola be taminny famadihana , nandany fananana taminny fijangajangana sy ny vehivavy ,miari-tory sy mandany vola aminny loka sns)

NY FANDRAISANA NY FANASANNY TOMPO


Ny fandraisana ny fanasanny Tompo dia tena zava-panahy tanteraka aminny maha kristiana an-tsika.Tsy azonny olona ara-nofo izany fa ny olona izay efa nateraka indray no mahatakatra azy; Ny olona mandray ny fanasanny Tompo dia tsy maintsy mandalo ny dingana rehetra izay efa nianarana teo aloha. Miatomboka atrany aminny fibebahana ka hatrany aminny batisanny rano. Saro-pady tokoa mantsy izany hoe miray latabatra aminny Tompo izany ka tena nananatra mafy tokoa i Paoly fa efa maro no narary ary efa maro koa no efa nodimandry satria tsy namantatra ny tenany izy alohanny nandraisany ny fanasanny Tompo (1Korintian 11:28-30). Rehefa niteny Jesosy hoe: ny Nofoko no tena fihinana ary ny Rko no tena fisotro dia niala ny ankamaroanny mpianatra, fa nahoana? Tsy takatry ny olona ara-nofo ny zava-panahy ao aminAndriamanitra ka miteraka fahatafitohinana aminy. Raha misotro rano isika dia mitondra aina sy fanadiovana ao anaty izany. Manala ireo singa maloto sy poizina ao anatinny tenanolombelona ny rano. Miteraka fahafatesana ho anny tenanolombelona ny tsy fisianny rano ao anatiny satria miangona ao avokoa ireo poizina sy loto manerana ny tena ary tsy afaka miaina ara-dalna intsony ireo taova ao anaty.

aminny teny Grika dia hoe atsoboka aminny r, izay manambara fanamasinana satria ny r dia manamasina araka izay hita ao aminny testamenta taloha. Ao anaty dikisionera dia manambara hoe fanamasinana atao aminny olona na zavatra iray ny batisa, manambara fanombohana vaovao ho aminny fahatsarana koa ny batisa. Ny batisa izany dia manambara fanamasinana. Fa maninona no hamasinina ny zavatra iray? Amasinina ny zavatra iray satria masina no hilna azy. Andriamanitra dia masina ary izay tsy masina tsy afaka hahita sy hanantona Azy (Heb 12:14), na inona na inona anarana iantsoantsika ny fanoloran-jaza dia zavatra iray loha no tanjona: amasinina ny zaza ho anAndriamanitra satria masina Andriamanitra. Ny olombelona dia notorontoronina taminny ota ary vao teraka ny zaza dia efa mitafy ny tenanny ota. Noho izany dia tena tsy maintsy atao ny fanoloran-jaza mba ho tafatoetra eo ambany fahasoavanAndriamanitra ny fitomboany ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana sy mba ho fiarovana azy aminny asanny devoly.

Eo aminny fitadiavam-bola koa dia tsy mitandro hasasarana mihintsy ny olona sasany (ohatra: mahafoy vady aman-janaka ho any an-tany lavitra , miari-tory miasa , miasa mandritra ny herinandro hatraminny Alahady ,sns) Ireo zava-bitanao taloha dia miharihary eo anatrehanAndriamanitra avokoa ka tokony handinika ianao hoe ho latsa-danja noho ny taloha ve no ataoko ho anAndriamanitra ankehitriny? Tena faly Andriamanitra mahita antsika manao zavatra ho Azy mihoatra izay natao fony mbola isika niaina taminny fiainanizao tontolo izao ary izany no porofo fa mihoatra noho ny fitiavam-bola sy ny fahafinaretanizao tontolo izao ny fitiavantsika anAndriamanitra.

NY BATISANNY RANO
I-Inona no atao hoe batisanny rano? Ao aminny Romana 6:3-4 ny batisa dia manambara ny fandevenana antsika , fa maninona no alevina isika? tsy ny maty ve no alevina ? sanatria tsy hoe alevim-belona isika fa nisy zavatra efa nekentsika ho faty ao aminny tenantsika dia ny tenanny ota . Inona no atao hoe tenanny ota ? Rehefa nanota ny olombelona voalohany(Adama sy Eva ) satria efa nihinana ny hazo famantarana ny ratsy sy ny tsara tao aminny saha Edena( Gen 3:6), dia nanomboka nikoriana tao anatinny olombelona ny famatoranny ota , tsy afaka nifanatrika taminAndriamanitra intsony izy satria niala taminy ny voninahitrAndriamanitra izay nandrakotra azy , ary nahatsiaro ho nitanjaka izy , rehefa notafianAndriamanitra akanjo hoditra izy ireo dia noroahina hiala ny saha(Gen 3:23-24). Rehefa niala ny saha ny olombelona dia zavatra mahatahotra no niandry azy : -Efa niala taminy ny voninahitrAndriamanitra fa lasa tenanny ota ny tenanolombelona ary nanjary tsy nahatohitra ny fahotana intsony ka lasa tratranny fitsiriritana , fitiavan-tena , fankahalana , sns Izany no nahatonga ani Kaina hamono ani Abela (Gen 4:8). -Lasani satana ny fahefana tety an-tany ary nanan-kery taminilay tenanny ota ao aminny olombelona izy nefa fantatsika fa satana tsy ho avy raha tsy handrava , handringana ary hamono(Jao 10:10). -Ny fahoriany no mampanan-karena antsika(1 Kor 8:9). -Ny fahafatesany no nanombohany ny tenanny otantsika.(Rom 6:6-7) -Ny fitsanganany no manangana antsika ho aminny hery sy voninahitra.(Rom 6:4) Ny fanoloran-tena ho aminny batisa dia finoana ny fandraisana ny zavatra rehetra izay efa vitani Jesosy Kristy ho antsika, izany no mahatonga ani Jesosy nilaza hoe izay mino sy atao batisa no ho vonjena fa izay tsy mety mino no hohelohina. (Marka 16:16) IV-Ny fanoloran-jaza Hoy Jesosy Kristy hoe avelao ny zaza hanantona Ahy,ary aza rarna; fa anny toa azy ny fanjakanAndriamanitra(Marka 10:14).Matetika no ambara izany teny izany rehefa manao fitsofan-drano zaza, taminny andronny lalna dia tsy maintsy atolotra ho anAndriamanitra ny zazalahy rehefa teraka havaloana(Genesisy 17: 10-14) ary na Jesosy koa aza dia mba natao toy izany. Maro ny olona no manontany hoe toa: samy hafa ny fomba hanatanterahana io fanoloran-jaza io arakaraky ny fiangonana, ny sasany sakrametanny batisa, ny sasany kominio (communion), ny sasany fitsofandrano, sns Inona marina moa ny dikanny teny hoe batisa ?:

Tsy azo anaovana vazivazy ny fahaterahana indray.Jesosy Kristy aza dia niteny fa:Raha tsy ateraka indray ny olona; dia tsy mahazo mahita ny fanjakanny lanitra(Jao 3:3). Tsy maintsy azo antoka ny fahatsapana aminny fiainana izay voasoratra eo ambony fa raha mbola tsy eo aminao izany dia aza mangatakandro fa tanteraho faingana ny fanoloran-tenanao. III- Ny nataoni Jesosy Kristy ho antsika Jesosy Kristy dia tonga tety an-tany mba hanafaka ny olona taminireo fanimbana mahatsiravina nataonny devoly taminny olombelona. Fantatsika tsara fa rehefa mitafy ny tenanny ota ny olona dia manan-kery aminy ny fanimbana rehetra tianny devoly hatao aminny fiainany, toy ny aretina, ozona maro, fahafambaraka, fahantrana, fahakivina, famoizam-po, sns Tsy tonga fotsiny Jesosy Kristy hamela ny helontsika fa koa hanafaka antsika aminireo fanimbana rehetra nataonny devoly, niaretany avokoa ireo zavatra rehetra tokony hiatra tamintsika olombelona noho ireo ota nitambesatra tamintsika. -Ny rny no fanadiovana ny fahotantsika (Efes 1:7). -Ny dian-kapoka taminy no fanasitranana antsika(Isaia 53:5,1 Pet 2:24). -Ny nihantonany teo ambony fijaliana no nitondrany ny ozona tamintsika.(Gal 3:13) -Ny latsa sy ny henatra niaretany ny manafaka ny fahafahambarakantsika.(Rom 15:3)

Tsy misy fanafany intsony ny fahafahanny olombelona aminio tenanny ota io afa tsy ny fahafatesana ihany nefa fantatsika fa tsy afaka mandova ny lanitra ao anaty fahotana ny olona (1 Kor 6:9-10). Izany no nanirahanAndriamanitra ani Jesosy Zanany hisolo ny fahafatesana izay tokony hihatra amintsika olombelona ka nanolorany ny ainy teo ambony hazo fijaliana(Kol 1:20). . Ny finoana ani Jesosy izay efa maty nisolo ny tenantsika ka nitsangana taminny andro fahatelo hitondra fanafahana ho antsika no tena fototry ny batisa(Rom 6:8-9) . Ny fisitrihana ao anaty rano dia finoana fa efa maty ary niara-nalevina tamini Jesosy Kristy ny tenanny otantsika ary ny fitsanganana kosa dia finoana fa efa niara-natsangana tamini Kristy ho aminny voninahitra sy ny hery isika(Romana 6: 4) Ny batisanny rano dia finoana ny aminny fandevenana ilay tenanny ota (Romana 6: 6) ary ho fiverenana indray hitafy ny hery sy ny voninahitrAndriamanitra (Galatiana 3: 27) ao anaty fahamasinana II-Ny fahaterahana indray Ny atao hoe fahaterahana dia manambara fanombohana fiainana vaovao (2 Koritiana 5; 17). Ny zaza vao teraka dia tena tsy manan-tsiny tokoa fa miankina tanteraka aminny fitaizana sy ny fanabeazana azy no hamolavolanny ray aman-dreniny ny ho aviny. Toa izany tsy misy hafa ny fahaterahana indray ao aminny Jesosy Kristy.

Ny zaza vao teraka dia efa manomboka misakafo , mitombo ara-batana sy saina izy ary mivoatra toy izany koa ny sakafo hohaniny sy ny heriny. Eo aminny fahaterahana ara-panahy ny olona dia manomboka mivelona aminny teninAndriamanitra(1 Pet 2:2) , mitombo ara-panahy izy ary mitombo finoana sy fahalalana(Kol 1:3-6) , tsy mitovy velively aminny fihevitry ny nofo ny fihevitry ny fanahy(Rom 8:6) , ny nofo mandeha aminny fahitana fa ny fanahy kosa dia mandeha aminny finoana(2 Kor 5:7). Ny olona nateraka indray dia mijery ny manodidina azy aminny fomba hafa fa tsy mitovy aminny fijeriny taminizy ara-nofo intsony, tsy misy tahotra na fanahiana(Fil 4:6), ary tsy misy fetrany intsony ny zavatra azony atao(Jao 3:34) . Jesosy Kristy dia nanatanteraka zava-mahagaga maro tety an-tany: ny marary sitrana(Mat 4:24) , ny maty nitsangana(Jao 11:43-44) , ny rivotra sy ny ranomasina nanaiky Azy(Mat 8:27) , ny devoly natahotra Azy(Mat 8:29) , eny fa na dia ny mofo dimy sy ny hazandrano roa aza namokisany olona dimy arivo(Mat 14:15-21). Lasa mitovy tsikelikely amini Jesosy ny olona nateraka indray ka lasa mitombo finoana(Jao 14:12) , mitombo hery(Asa 1:8) , mitombo fahalalana(Jao 14:26) , mitombo fahendrena(1 Kor 2:7) , mitombo aminny fahatsarana rehetra(1 Pet 2:7) arakaraky ny fitomboany aminny fitiavambavaka sy ny fitomboany aminny fahalalana ny teninAndriamanitra .

Maro ireo mpanomponAndriamanitra na taloha na ankehitriny no nahavita asa sy fahagagana lehibe taminny anarani Jesosy Kristy. Jesosy Kristy dia nilaza hoe raha mino ahy ianareo dia ny asa ataoko no ataonareo koa(Jaona 14:12),ny fahaterahana indray ao aminny Tompo Jesosy dia miavaka tsara aminizao tontolo izao(1 Pet 1:23) . Ny olona ara-nofo : Mitady vola aman-karena mba hisehosehoana sy hanaovana ny sitrapo , mifofotra mafy aminny fahaizana sy ny tanjaka mba ahazoana vola sy voninahitra ary fahefana , manahy ny ho aviny ka mihezaka manangona harena faranizay tratra hitsinjovana ny fahanterana , matahotra fahafatesana , tsy manana antoka ny aminny fiainana mandrakizay , tia tena , sns(Gal 5:19-21) Ny olona nateraka indray : Mihary harena any an-danitra aminny alalanny fanampiana ny kamboty sy ny mpitondra tena ary ny fanohanana ny mpanomponAndriamanitra sy ny asanAndriamanitra(Mat 6:20-21) , mifofotra mafy mba hahataomana olona maro ho any an-danitra sy mandrava ny asanny devoly , matoky tanteraka ny ho aviny fa efa eo ampelatananAndriamanitra(2 Tes 3-3) , tsy matahotra sy vonona mandrakariva aminny fahafatesana(Fil 1:21) , matoky tanteraka fa handova ny lanitra(1 Jao 5:13) , tia manampy ny hafa(Fil 2:3-4) , sns

Вам также может понравиться