Вы находитесь на странице: 1из 46

Tsindrio fa lavo

Nali

Tsindrio fa lavo
Sombintantara

LES ÉDITIONS
5 CLOVERS
© Les Éditions 5 Clovers, 2020
7
1

Nanjombona ny tontolonay sy Neny, rahona


mainty mitatao antapon-doha, miziriziry tsy
mihetsika na dia mifofofofo aza ny rivotra any
ho any.
Niafina indray ilay masoandro nanjopiaka
mpanazava ny tontolo ; mbola hiverina izy avy
eo, raha tsy avy eo dia mety rahampitso
angamba, raha tsy rahampitsy dia indray andro
any fa tsy maintsy tonga foana mba
hamirapiratra eny.
Fa i Dada kosa, ilay hazavàna be nanafàna
anay sy i Neny, dia nandao anay anio.
Tsy nandao izy ka, mbola io ny vatany.
I Dada dia nijanona fa ny fanahiny fotsiny,
ilay aina naha-olona, no lasana, any ho any.
Ho aiza ?
Telo alina no niandrasam-paty izy ary tonga
nanotrona daholo ny fianakaviana rehetra.
Fianakaviana mpihatsara ivelatsihy.
Fony velona i Dada, narary teny amin’ny
hopitaly, tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza
namangy azy.
Tsy nisy na dia iray tamin’ireo fianakaviana
ireo aza nanampy anay sy i Neny raha nila vonjy
izahay.

8
Ny fanahin’i Dada izao gaga fa toa lasa tia
azy daholo ny olona rehefa tsy nifoha intsony
izy.
Voninkazo re izao e !
Tena moramora foana ny nanati-boninkazo,
voninkazo lafo vidy tsy mba takatray akory.
Falifaly ve i Dada ?
“Mahaiza mionona e! Izay no lahatra sy
anjara !”
Nankaleo ny sofiko.
Nahay nionona izahay na fony teo aza i Da-
da.
Izahay rahateo tsy mba nanan-katao toa azy
mianakavy, ranomaso sarisary, be lamaody
tahak’izany.
Efa ela ny fiainana no nampianatra anay
hoe inona izany fiononana.
Mandry fotsy indraindray ka mionona
amin’ny torimaso ho setrin’ny sakafo hariva.
Gogogogon’izy mianakavy indray no re
raha tonga ilay fotoana hamonosana an’i Dada.
Niantso ahy sy i Neny i dadatoa Ranary
hijery an’i Dada farany : kaokan’ny aretina,
mahia, lanin’ny ahiahy sy hirifiry ary jaly.
Izato ianao ry Dada !
Tsy nahalatsa-dranomaso intsony izaho sy i
Neny.
Nijery an’i Dada dia nifampijery avy eo dia
nifamihina.

9
Reko ny hafanàn’ny vatan’ilay reniko sy ny
ny fitempon’ny fony toa nampahery ahy.
“Tsy maintsy hotafita ny sambokelin-tsika,
ry zanako malalako !”
Te-hampahery an’i Neny aho fa nandositra
ahy ny teny ary nihataka alavitra ahy ny feo.
Nivoaka izahay, nankeny an-jaridaina.
Topi-maso maro izay nitsara anay sy Neny
no nanaraka anay.
“Satrin’izy ireo aza maty i Charles.” hoy ny
bitsibitsiny nefa reko avokoa.
Hira masina no nanakoako avy tao
amin’ilay efitra nisy ny vatana mangatsiakan’i
Dada efa voageja, vita fato-maty.
Dradradradra sy tomany no nifaninana
tamin’ilay hira.
Nalahelo mafy, hono, ireto havanay…
Tsy novidiam-bola mantsy ny ranomaso ka
afaka nomena maimaim-poana ka nikararàna
izany io maraina io.
Tsy toy ireo fanafody izay nilaina fony i
Dada teny amin’ny hopitaly, nitaraina mafy,
niady tamin-drofy.
Iza moa izay izahay no mendrika hampiana
rehefa mila izany ?
Mavomavo.
Omby mahia tsy mba filelaka.
Noraisiko ny tanan’i Neny ary nofihiniko
mafy.

10
Reko ny jaliny, ny ratram-pony.
Izy kosa mbola tsy tonga saina nibanjina
ireo voninkazo naniry teo an-jaridaina.
Kamboty ihany koa izy ireo izao, nitolefika
nalazo.
Nananontena koa izy ireo izao, ringitra
avokoa.

11
2

— Marary be ry Fara ilay izy a ! Tsy tantiko


intsony, hoy i Dada izay sambany vao
reko nitaraina.
I Dada : matanjaka, ranjanana…
Fa tamin’io izy nitaraina io dia fantatro fa
niha-osa izy, nitolefika.
Sendra tsy nianatra aho, ary nanararaotra
nijanona kely teny amin’ny hopitaly niandry azy.
— Efa lany angaha ilay “morphine”?
Morphine : fanafody farak’izay matanjaka
indrindra hanalefahana fanaintainana.
Efa ela i Dada no tsy maintsy nitsindrona
an’io foana.
Tamin’io andro io ihany koa anefa dia tsy
nisy intsony izany, lany, tapitra ilay tsindrona,
foana, ringana.
Mila mividy.
— Charles a ! hoy i Neny mantsy an’i Dada.
Tsy maintsy mahita fanafody ho anao
aho fa mba iafio kely fotsiny aloha.
Tsy nahajery an’i Dada akory izy, izay efa
naolakolan’ny fanaintainana, nokikisany,
nohaniny, kaoka.
Nivoaka i Neny ary hitako nilatsaka ny
ranomasony, avy koa ny orana tany ivelany.

12
Izaho sy i Dada sisa no tao amin’ilay efitra
nihaino ilay orana malefaka omban-
tsefosefon’ilay raiko, niezaka ny nanafina ilay
fanaintainana.
— Mbola marary be ve ? hoy aho namaky
ilay fahanginana hafahafa.
Tsy nisy valiny.
Nitomany i Dada.
— Dada… hoy ihany aho nanatona
nanafosafo ny lohany.
Tsy nisy valiny.
Hatsembohana sy hovitrovitra no hitako
teny amin’ny tavany sy ny vatany.
Nanaintaina loatra i Dada, mihitsy.
I Neny koa fantatro fa nanaintaina mafy
satria tsy maintsy nandeha nivarotra ireo izay
mba hany fanananay azo namidy.
Efa nanomboka tamin’i Dada niditra
hopitaly mantsy dia nitsahatra ihany koa ny vola
niditra taminay mianakavy.
Narary i Dada, nandringa ihany koa ny
fiananay telo mianaka, lavo.

Naneno ny findaiko.
I Dada anefa teo ambonin’ilay fandriana
fotsy sy manga kely, niolankolan’ny irifiry,
naolakolany.
Tsy nanam-panafody, tsy afa-nanohatra.

13
Noraisiko ilay finday ary hitako nisoratra
maitso teo ny soratra hoe “NENY”, maitson’ny
fanantenana.
“Allo” hoy aho nandray ilay antso.
“Adinoko ao ve ilay paoketrako?” hoy i
Neny nisefosefo ary reko tamin’ny feony fa
natahotra izy.
Nijery ny manodidina ahy aho.
Io ny paoketran’i Neny, teo ambonin’ilay
latabatra akaikin’ilay fandriana nisy an’i Dada,
narary, rakotry ny fanaintainanana.
“Ie! Ato ry Neny a!”
Sento no reko.
“… “
“Mba afaka omenao ahy ve ilay valopy ao
?”
“Fa aiza i Neny?”
“Ato ambany ato aho. Ato amin’ny
pharmacie, milahatra.” hoy izy nibitsika.
Niady mafy ilay reniko, tsapako izany.
Niady hoan’ilay vadiny, hitako ihany koa.
Ilay raiko izay niady ho anay ihany koa
fony izy natanjaka, niriaria.
Tamin’izy mbola ranjanana, nanan-kery…
I Dada.
“Maheno ve inao e ?” hoy i Neny tao
amin’ilay finday somary napiaka-peo.
“Maheno ka !”

14
Nisy olona niresaka tamin’i Neny reko tao
ambadik’ilay antso an-tariby.
Nosokafako ilay paoketran’i Neny.
Nalaiko ilay valopy.
Vola ve ?
Kanefa taiza ?
Sady toa lehibe loatra ilay valopy teny an-
tanako.
— Vetivety fotsiny Dada a ! hoy aho nijery
an-draiko izay tsy nahajery ahy intsony.
Narary loatra i Dada.
Nivoaka ilay efitrano aho ary somary
namikiviky kely.
Maika hahita an’i Neny hividy fanafody ao
amin’ny farmasian’ny hôpitaly.
Inona ary no nataon’i Neny no nahita vola
hividianana fanafody sahady izy?
Volabe tokoa mantsy ny vidin’ny
fanafodin’i Dada.
Roso aho nanaraka ireo lalan-tsara
maron’ny hopitaly namofona alikaola.
Tsy aritro fa nosokafako ilay valopy …
Taratasy maro mikasika ny fivarotan’ilay
trano fonenanay tamin’i dadatoa Lucien,
zaodahin’i Dada no voavakiko tao.
Gina aho.
Nijanona tsy nihetsika niandry vara-
datsaka.

15
Kanefa ny any ivelany dia reko fa nitsahatra
ilay orana malefaka.

Tsy niresaka tamiko i Neny mikasika io


famarotana io, kinafinafin-toetra.
Mino aho fa i Dada ihany koa tsy nahalala
izany.
Hovarotana ny trano, ilay fonenanay, ilay
akaninay, ilay herim-pon’i Dada sy i Neny koa.

16
3

Nanan-katao ny ray aman-drenin’i Dada.


I Dadabe sy i Bebe izay tena tia anay tokoa
na dia zaza natsangana aza i Dada.
Zanak’i Beby mpanampy an’i Dadabe sy
Bebe, maty teo am-piterahana.
Efa ela, hono, no naniry zazalahy izy
mivady ka faly tokoa nanangana an’i Dada ho
zananak’izy ireo.
Telo vavy no tena zanak’i Dadabe sy Bebe.
Vololona.
Niry.
Lanto, vadin’i tonton Lucien.

Fanaon’i Dadabe sy Bebe ny mandeha mit-


sidika an’i Mantasoa rehefa faran’ny herinandro.
Trano mijoalajoala ny azy ireo, eo amorom-
parihy, voahodidina ala-kininina, mpanimba
tany.
I Dadabe moa tia misotrosotro.
Alahady hariva, novelominy ny fiara, izy
ihany koa efa velon’ny zava-pisotrony izay
maherihery vaika.
I Bebe teo akaikiny, tsy nanam-po
n’inon’inona, hamonjy ilay ankany niandry azy
ireo taty Antananarivo.
Hamonjy anay rehetra.
Nirifatra tampoka ilay fiara, nisolifatra
ihany koa ilay tongotr’i Dadabe saika hanitsaka
ilay hisatra.
Nivembena ilay fiara toy ilay mpamily azy
ihany, tsy tonga saina.
Nihiakiaka i Bebe.
Loza.

“Lozam-piarakodia mahatsiravina tamin’ny


lalam-pirenena faha-2,
Mamo ilay mpamily ka nidofitra tamin’ny
pôtô !”
Lohantenin-gazety toa mananihany.

Maty izy mivady.


Niandrasam-paty.
Nitomaniana.
Tomany tena izy, tsy tahaka ny an’i Dada,
fony izy lasa.
Nandaniana volabe fa mamy hoditra teo
amin’ny tanàna izy mivady.
Teo no nanombohan’ny adim-piananay.

18
4

Tsaroako avokoa ireo disadisa nisy teo


amin’i Dada sy ny anabaviny, ry nenitoanay.
Tsy tokony handova hono i Dada fa zaza
natsangana, zara raha zanaka.
Nalahelo i Neny, izay efa kamboty koa.
Nanana orinasa fanontana moa izahay ka
niasa tao i Neny, tena niasa tokoa.
— ‘Ndao hiaritra kely dia hividy trano e !
Mampalahelo ahy ny anaovan’ny
anabavinao anao.
— Efa ela aho no nieritreritra an’izany ry
Bodo a ! Ary efa nahita ny mety ho
fonenantsika rahatrizay, hoy i Dada
nitsiky.
Lasa teny ny andro, nikoriana teny ny
volana nitambatra ho taona ary taona vitsivitsy
dia novinidy ilay trano dia nifindra izahay.
Fianakaviana sambatra, faly aoka izany.
Novolen’i Dada voninkazo maro ny
zaridainanay.
I Neny koa mantsy dia tia voninkazo nefa
tsy nahazaka ny vovo-bonin’izy ireny, alerjika.
Nanomboka tsy nifampikasoka tamin’ny
havany intsony i Charles mianakavy, izahay
izany.

19
I Neny moa tsy nanana havana, kamboty
niara-lehibe tamin’i Dada tao fa tsy nitsikian’ny
vintana mba hoe nisy nanangana.
Natsangan’i Dada ho vady.

Niroborobo fatratra ny orinasa kelinay.


Tsy nitsahatra ny kaomandy, tsy nitsahatra
niditra ny vola.
Ny hazo avo halan-drivotra hoy izay fiteny
izay.
Tokoa moa ka avo ny nanidinanay,
nilingilingy loatra angamba ?
Volana martsa, tadidiko tsara, ririnina
namirifiry ary efa nisy voany ireo voasary teo
an-jaridaina.
Niredareda ny afo nandoro ilay trano printy.
May daholo ny fitaovana, ny asan’olona,
lavenona.
Io no lelafo niredareda nandoro ny
fahasambaranay.
Tapaka lalan-drà i Dada.
Ny vola izay tahiry dia nanonerana ireo
olona nanana asa tao aminay ka ritra avokoa.
Niditra hopitaly i Dada, lany ny vola,
namidy ireo fananana azo namidy.
Nihombo ny aretin’i Dada, tsy nihetsika
intsony ratsam-batany maro.
Avy eo dia toa hoe tsy miasa intsony koa ny
voany ankiroa ?

20
Ary isan-kerinandro dia natao ny dializy,
handiovana ny rany.
Osa i Dada.

21
5

Falifaly i Neny niditra ilay efitranon’ny


hôpitaly nisy an’i Dada.
— Hitanao ry Charles fa nahita vola
hitsaboina anao aho ! hoy izy
miramirana nitodi-doha tany amin-
draiko. ‘Ndehana amin’izay indry ry
Ravaka mandeha miandry trano a ! hoy
kosa izy mantsy ahy. Karakarao tsara ny
sakafo. Efa misy laoka ao an-dakozia ao
dia ireto misy vola ‘ndrao misy ilàn-dry
azy any.
Nisoritra teny amin’ny endrik’i Neny ny
marikin’ny ady, ketroketrona madinidinika no
nandrakotra ny tavany, indrindra moa fa teo
amin’ny sisin’ny masony roa.
— Dia mba ampirimo ny tranontsika ao e !
Tsy namaly aho, fantatro mantsy ny
nitranga, tsy nisy niafina tamiko.
Hody any an-trano aho, izay tsy tranonay
intsony.
Sento.
Efa lafo ilay izy matoa i Neny falifaly,
nahazo vola, hitsaboina an’i Dada.
Mba fantatr’i Dada ve fa tsy anay intsony
ny fonenanay ?
Naondriko ny lohako.

22
Nivoaka moramora ilay efitra aho ary roso
hody.
Latsaka ny ranomasoko, avy tampoka
indray ny orana.
Soa ihany fa avy ny orana izay nanasa ny
tavako ka tsy mba fantatr’olona teny an-dalana
akory fa tomany aho.
Tsy nialoka aho fa navelako hokotsa ny
vatako manontolo.
Tsy nitady fiara karetsaka ihany koa fa ny
tongotro roa no nasaiko nitondra ahy,
namikiviky mafy, ho any an-tranonay fahiny,
izay tsy tranonay intsony.
Teo am-bavahady aho.
Tsy sahy niditra.
Sadaikatra satria efa tsy anay intsony io
hidirako io.
Mila maka ny entako aho.
Novohaiko ilay vavahady, nitsahatra ny
orana.
Toa nibanjina ahy daholo ireo voninkazon’i
Dada teo an-jaridaina, indrindra moa fa ireto
kodiadiamborona naniry maro be, nandrobona
aoka izany.
Novohaiko ny trano.
Niditra aho ary nihazakazaka namonjy ilay
efitranoko fahiny, nigogogogo, nitomany.
Veloma ianao ry trano !
Tranonay fahiny.

23
Resin-tory aho sady resin’eritreritra.
Ilay vavahady nisy nanozongozona mafy no
namoha ahy.
I Neny ve ?
Kanefa na voam-bary iray aza tsy masako
akory.
Taitra mafy aho, nidobodoboka ny foko,
nihazakazaka aho handeha hamoha ilay
vavahadinay fahiny.
Ny masoko bongo.
— Manao ahoana i dadatoa Lucien !
Sahady dia tonga !
Tsy namaly izy fa nanosika ahy dia niditra
amboletra ary nanitsakitsaka ny voninkazon’i
Dada sy ireo kodiadiamborona maro, namoaka
metatra, nandrefirefy.
Izy no nividy ito tranonay, ilay fonenanay,
ilay akaninay.
Fahiny.

Mpanefoefo tokoa i dadatoa Lucien


mianakavy.
Tsy mba nifandray taminay.
Izy rahateo moa no vadin’i Tatie Vololona,
zanank’i Dadabe sy Bebe, zanaka nateraka,
mpandova.
Tatie, tsy mba nanaiky ny antsoina akory
hoe “totoa”, vazahavazaha fiainana,
vazahavazaha fisainana.

24
Anisan’ireo nandroaka an’i Dada sy i Neny.

— Mba omeo rano hosotroina ry kalakely


‘ty a! hoy i dadatoa Lucien mantsy ahy,
nibetrobetroka aoka izany.
Tsy te-hankatoa ny saiko fa ny vatako
kanefa dia tsy nihambahamba akory nandeha
nihazakazaka nankany an-dakozia naka zinga
nasiana rano.
Naka vera tao amin’ilay lalimoaran’ny
efitrano fandraisam-bahiny aho ary nihazakazaka
niverina nanome rano an’i dadatoa Lucien, ilay
nividy ny tranonay.
Indrisy, tapitra potika ireo voninkazo
sendran’ny kiraron’i dadatoa Lucien, ringana.

— Ity tompoko, hoy aho nanolotra ilay


zinga nisy rano sy ilay vera nanjopiaka.
Tsy nisy akory na dia fisaorana aza fa ny
masony roa no nadiridiriny nandray izay
nomeko.
Nigoka ilay rano i dadatoa Lucien ary izaho
toa voan’ny fitamatamana ka dia revo nijery azy
teo.
Avy nisotro rano izy.
Napetrany tamin’ny tany ilay zinga mbola
nisy rano kely sy ilay vera sarobidin’i Neny,
tonga dia nihoso-potaka.

25
Namoaka karine kely izy ary nanoratsoratra
tao.
Izaho kosa naka ilay zinga sy ilay vera
tamin’ny tany ary roso niditra ny trano.
Tsaroako tampoka ilay tenin’i Neny.
“Karakarao tsara ny sakafo. Efa misy laoka
ao an-dakozia ao.”
Nihazakazaka nandrehitra afo aho.
Naneno ny findaiko.
— Allo ?
Feo nitalaho no reko.
Nitomany i Neny.
— Maty i Dada…, hoy izy dia notapahany
ilay antso.
Lasa aizina indray ilay hafaliana noentin’i
Neny tany amin’ny hôpitaly.
Nanjombona aoka izany ny tontolon’i
Neny, voavinavinako eto.
Nanjombona ihany koa ny ahy.
Nanjombona ny tontolonay sy Neny.
Nandao anay i Dada.
Tsy nandao izy ka, mbola any ny vatany.
I Dada dia nijanona fa ny fanahiny fotsiny,
ilay aina naha-olona, no lasana, any ho any.

26
6

Vita ny fandevenana, lany ny famangiana


rehetra satria mila hatao makotrokotroka, hono,
ny fanitrihana an’i Dada mba ho hasina sy
voninahitrin’ny fianakaviana.
Niresaka i dadatoa Lucien sy i Neny.
Fantatro fa ny momba ilay trano no
nampitafa azy.
Maloka ny endrik’i Neny raha nanatona
ahy, i dadatoa Lucien kosa namonjy ilay fiarany,
falifaly, miramirana.
— Maninona i Neny ? hoy aho nanontany
an-dreniko izay nivandravandra fotsiny
nijery ahy, nanganohano ny masony.
— Misy zavatra tiako hambara aminao !
hoy izy namaly nibanjina ahy,
niakanakana. Miala tsiny aho anaka.
Naondriny ny lohany ary vongan-
dranomaso iray no hitako nihazakazaka hamonjy
ilay tany nitsahinay.
Nofihiniko i Neny.
Fantatro fa resy izy.
Niady mafy i Neny, niady tamin’ny
fiainana, lavo.
— Mbola eto aho ry Neny a ! nibitsibitsika
azy moramora aho. Fantatro ary tsy misy

27
miafina amiko anie fa namidinao ny
trano e!
Nigogogogo i Neny.
Nipatrapatraka teo ambonin’ny soroko
havia ny ranomasony.
— Miala tsiny aho anaka, hoy izy tsy nanala
ny lohany teo amiko.
— Dia oviana, hono, isika no tsy maintsy
miala ?
— Amin’ny herinandro …
— Tsy mba nanome fotoana lavalava akory
ve izy ? hoy aho nanontany an’i Neny
izay efa namafa ny ranomasony dia
nibanjina ahy indray.
— Ilainy maika, hono, ny trano… ny
fananany.
Sento.
Niditra ny trano izahay sy i Neny.
Samy tsy niteny.
Moana ilay trano, moana tahaka anay
mianaka.
Entana kely sisa no tafajanona, ny sasany
namidy namonjena an’i Dada.
Namidy toy ilay trano izay tsy naavotra an’i
Dada akory satria dia trosa maro no noefanay, ny
raiko koa nananan’ny aretina trosa tsy hita isa.
— Dia ho aiza izany isika ry Neny ? tsy
sahy nanembatsembana ilay fahanginana

28
aho fa dia nanontany ihany, nataoko
moramora.
— Tena tsy haiko… Mila mitady hevitra,
hoy i Neny namaly ahy indray ary tsiky
no teny an-tavany.

29
7

Mbola natory i Neny izaho nifoha maraina


hikarakara sakafo.
Nobanjiniko ela izy tao an’efitranony ary
hitako fa nihamaro ireo marikin’ny ady teny
amin’ny salovan-tavany.
Nankany an-dakozia aho.
Narehitro ny afo, natokoko ny sosoa.
Niverina tampoka tato an-dohako fa tsy
anay intsony ny tranonay, zary tranonay fahiny.
Nisy nandondòna mafy tao am-baravarana,
tsy ny vavahady intsony.
Fa angaha dia efa manana ny fanalahidin’ny
vavahady koa ‘zareo ?
Nihazakazaka ny foko, nidobodoboka ny
feon’ny tongotro mipaka tamin’ny gorodonay
raha iny izaho handeha hamoha ny varavarana
iny.
Vao nosokafako ny trano dia i dadatoa
Lucien no nanao dia maika niditra niaraka
tamin’olona iray, tsy mbola fahitako,
kizitinjitin’endrika, montomonto-dava.
Tsy niteny, tsy nivolana, tsy nisy ny
arahaba fa tonga dia nandroso teo anivon’ilay
efitra fandraisanay vahiny, nitondra fotapotaka
nandeona ilay gorodonay.

30
— Azafady fa somary be korontana sy
maloto koa mantsy ireto olona ireto ! hoy
i dadatoa Lucien nanondro molotra ahy.
— Ohatrinona tsara ny hampanofanao
an’ito ? hoy ilay olona tsy fantatro
nanontany sady nanopy maso ny
manodidina.
— Andao aloha jerena e !
Ilay olona tsy fantatro izany no hanofa ny
tranonay fahiny ?
Sento.
Efa tao anaty fifanarahana ve fa afaka
mitondra olona manelingelina anay i dadatoa e ?
Izaho mbola toy ny adala nitazona ilay
varavarana nivoha, tsy nihetsika akory fa dia
nanara-maso, tsy afaka nitroatra.
— Miala tsiny fa somary malototoloto ato,
hoy ihany i dadatoa nanantitra ny teniny.
Tsy dia mahakarakara mantsy ireto olona
ireto.
Teo dia tsapako fa rehefa mahantra ianao
dia maro ireo tsy mahatadidy akory fa misy
anarana nomena anie nofinidin’ilay ray sy ny
reninao ho anao e !
Nilentika tato am-poko fa ny teny hoe “ha-
vana” dia voafafa ihany koa rehefa tsy manana
ianao.
Angamba io teny io ihany koa dia
voasoratra amin’ny tsaoka volom-boasary ka

31
lasa tsy voaavaka amin’ny lokonao raha toa ka
mavomavo ianao.
Hany ka manjavona, tsy hita soritra intsony
ny rohim-pihavanana.
— Hidio ny tranoko ry kala kely ‘ty a !
nibetroka ahy indray ny feon’i dadatoa
Lucien.
Tsindriana ve fa lavo ?
Lavo izahay sy i Neny.
— Mba diovy ny trano fa manala-baraka !
hoy izy nanohy sady nidiridiry toy ny
alike te-hanaikitra.
— Eny tompoko!
Tsy haiko hoe inona ny hery nanosika ahy
hamaly, nanajanaja azy, sady nangovitra aho.
Afa-po angamba ilay olona tsy fantatro fa
niresaka kely tamin’i dadatoa Lucien dia nanao
veloma anay.
I Neny moa mbola natory maty.
I dadatoa Lucien nijanona nandrefirefy ny
trano toy ny nahitako azy tao an-jaridaina.
Afa-po koa izy.
Nanatona ahy.
Hanaikitra a ?
Nitsiky tsiravina.
— Teneno ny reninareo fa mitady mpiasa
trano aho raha hiasa izy.

32
— Eny tompoko, hoy indray aho
voatosik’ilay hery tsy fantatro anarana.
Lasa i dadatoa Lucien.
Nipetraka aho nandinika ny fiainanay sy i
Neny, nibanjina ireto fotaka noentin’ny kiraro
lafo vidin-dry dadatoa Lucien sy ilay vahininy.
Nieritreritra ny mety ho fiainanay rehefa
miala ato izahay.
— May ny vary o ! hoy i Neny mbola
rendreman’ny torimaso. Fa inona loatra
no mahalasa saina anao eo e ?
Tazako ny masony nijery ireto fotaka ary
tafapetraka izy.
Nihazakazaka aho namonjy ilay soasoa,
may, vary maina.
Rehefa izany dia niverina indray tao
an’efitrano fandraisanay vahiny mba hitafa
amin’i Neny.
Mila mitady fidiram-bola izahay, mila
miasa na izaho, na i Neny, na izahay mianaka.
— Neny a ! Mitady mpanampy, hono, i
dadatoa Lucien.
Izay vao nitràka izy nibanjina ahy ; izaho
niezaka nandio ny tranonay fahiny.
— Efa niresaka tamiko momba izany izy.
— Neny a ! hoy aho nibanjina ilay reniko,
osa, lavon’ny fiainana, ontsa ny foko.
Aleo izaho hijanona hianatra dia
hanampy an’i Neny hitady vola.

33
Nijery ahy i Neny, lali-maso, hentitra
tampoka.
— Mianatra ianao. Inona ny lova hapetrako
ho anao raha tsy ny fahaizana : ny
fianarana no lova tsara indrindra.
Tsy namaly an’i Neny intsony aho satria
fantatro fa marina ny voalazany.
— Efa nekeko ilay asa any amin’ny
dadatoanareo, hoy ihany izy nanohy.
Dia maninona no mbola notenenin’i
dadatoa Lucien ahy ihany ary teo ?
Sa tiany hofantatr’ilay olona tsy fantatro
hoe ireto olona ireto dia olokolom-poana
ambanin’ny fahefàny ?
Niondrika aho nandraoka ilay fotaka
navelan-dry ‘zareo manan-kaja, heni-
boninahitra.
Ny tody, hono, misy, ny atao koa miverina.
Izay ambony androany mety ho ambany
rehefa tafahodina ny tany iny volana iny, na koa
rehefa tafahodina ny masoandro ito tany ito,
mety aza rehefa nahavita sangodina iray ilay
fanjaitran’itsy famantaranora itsy.
— Dia oviana i Neny no hanomboka ? hoy
aho nanontany ilay reniko tsy nahasahy
nijery azy.
— Rahampitso ihany…
Tapitra teo ny resakay sy i Neny.

34
Toa tsy nifampiteny intsony izahay
nandritra io tontolo andro io.
Samy nandoatra ny sakafony avy ary na dia
niara-nihinana aza dia samy naka ho azy.
Samy nanana ny tontolony nefa tao anaty
trano iray.

***

Lasa niasa i Neny.


Lasa nandeha hanompo an’i dadatoa Lucien
mianakavy.
Izaho kosa mbola tsy nianatra, nitokona ny
mpampianatra teny amin’ny oniversite fa mbola
tsy voazara, hono, ny vatsimpianarana efa ho
volana telo izao.
Niverina tato an-tsaiko ilay tenin’i dadatoa
izay nandratra ny atim-poko ka nalamiko ny
trano na dia, akory, ts’isy entana ho
afindrafindra toerana.
Kosa anefa vitako izay fara-heriko
hampilamina ny tranony.

***

Vita ny sakafo hariva.


Niandry an’i Neny aho, niandry azy ny
sakafo izay nosaromako tsara.

35
Ron’ovy, nasiana angivy…vary mena natao
soasoa.
Noana aho, niantso ahy ilay lovia nasiako
ny sakafo.
Kanefa nila niandry an’i Neny mantsy vao
homana izahay, hiara-hisakafo.
Nanondro tamin’ny valo sy sasany ilay
famantaranora niantona tao amin’ilay efitrano
fandraisam-bahiny izay saika efa foana.
Nisy nandondòna tany am-bavahady.
Nivoaka aho handeha hijery ary indro fa ny
akanjo antitr’ilay reniko, manga tanora, no
tazako nanangasanga, nakopakopakin’ny rivotra.
Nihazakazaka aho hamoha azy, indray,
falifaly, hahita ilay reny malaheloko.
Nosokafako haingana ilay vavahady
nanasaraka anay.
Io i Neny.
Nivonto be ny masony, mangana, nivoa-
dra, nisy nidaroka.
— Fa naninona i Neny?
Niditra izy.
Tsy niteny.
Reraka tanteraka amin’izato firefarefany.
— Naninona, hoy aho, i Neny ? namerina
nanontany azy aho. Ary lasa aiza ny
paoketranao?
— Nisy nanendaka aho.

36
Teny kely telo izay nandratra be ny foko io
valin-teny io.
Fa tamin’ny firy aza i Neny no nirava tany
amin-dry dadatoa Lucien e ?
Efa nifanarahin’izy ireo ve hoe alina be toy
izao no mirava ?
Namonjy ny fandriany i Neny dia natory,
tsy niraharaha akory ilay sakafo kelinay.
Izaho koa moa dia tapaka homana tanteraka
ka tonga dia namikiviky, roso ho any
an’efitranoko, ary nifamahofaho tao an-tsaiko
tao ny dikan’ny hoe lavo.

37
8

Nifoha aho, nihazakazaka nanokon-kanina.


Somary tara kely tsy tahakan’ny isan’andro
fa rerak’ilay alina nodiaviko angamba ?
Ary aiza i Neny ?
Mbola tsy nifoha izy, mbola tsy nisasa
matoa mbola mivalona itsy ny lamba fifafàny.
Mbola natory be fa vao nojereko teo.
Narehitro ny afo ary natokoko indray ny
sosoa maraina.
Niandry an’i Neny hifoha aho, nieritreritra
izay nahazo azy tany.
Nikisaka ireo fanjaitran’ilay
famantaran’ora, nikisaka haingana, nirodorodo
mafy.
Tany amin’i Neny foana ny eritreritro.
Nanohy ny dia maikany ireo fanjaitra telo.
Mila fohazina i Neny fa tara.
Nandeha namonjy azy tao an’efitranony
indray ity izaho.
Novahàko moramora ny varavarany.
Nanatona azy aho ary napetrako teo an-
tsorony ny tanako havanana.
— Neny !...Tsy hiasa angaha ? hoy aho
somary nanozongozona azy.

38
Nahirany ny masony izay mbola tena lalina,
ny iray vao maika nivonto.
Reraka mafy i Neny.
Niarina izy ary tsy nivolana akory na dia
teny iray monja aza.
Nitsangana handeha hivoaka, nivembena
ary nianjera tamin’ny tany.
Nihazakazaka namonjy azy aho.
Aiza ny findaiko?
Firy ny laharana ho antsoina?

Niditra hopitaly i Neny.


“Fatigue générale”
Reraka loatra izy ary naneso ahy ny
fahavitrihako.
I dadatoa Lucien anefa tsy nanaiky fa tsy
maintsy misy olona manolo, hono, i Neny raha
tsy izany dia horoahiny.
Mila vola izahay sy i Neny, indrindra
indrindra fa izy izao naiditra hôpitaly izao.
Naneso anay ny fiainana, nandatsa ny
hasambarana.
Nitambesatra ny fahasahiranana hanetry
anay hatrany.
Akaiky, kely sisa, dia vita ny herinandro
nomena anay sy i Neny mba hifindranay.
Efa tsy nijanona ny namangy anay mantsy
ilay olona tsy fantatro.

39
Efa maika ery izy ny hipetraka, hitoetra ao
an-tranonay fahiny.

Izaho no nandeha niasa tany amin-dry


dadatoa.
Gaga aho fa, ihany, mba navelany
nikarakara sakafo ho an’ilay reniko izay mila
fanafody.
Gaga aho fa mba nomeny vola koa
hividianana izany.
— Tonga dia efa miala amin’ny karamany
ireny, hoy izy nijery ahy, nanolotra ilay
vola tao anaty valopy.
Daholo novidiako ny fanafody rehetra izay
nilaina.
Nomena kolikoly kely ny teny amin’ny
hôpitaly mba ho tsara karakara ilay reniko
narary.
Efa nizara vola, hono, ny eny am-pianarana
eny fa namokatra ny tolona ka dia nitady hirika
hakàna izany, sitrany ahay.
Filaharam-be ny tany ka nody maina aho
satria tsy naharitra.
Hijery an’i Neny mantsy no nialàko tao
amin-dry dadatoa, i ramose Lucien mantsy e, ka
‘ndrao ho bedy indray.
Alarobia hariva ny andro ary tsy nianatra
izy dahy zanak’i ramose Lucien izay tsy navela
intsony nantsoina “dadatoa”.

40
Tsy maintsy asiana “tompoko” daholo ny
fehezanteny rehetra rehefa miresaka amin’azy
mianakavy.
Feon-javatra nidoboka mafy no reko avy
any ambony rihana ka nandeha niolomay
niakatra aho satria naheno an’i Rova nihiakiaka
ihany koa.
Nisefosefo aho namoha ilay biraon’i ramose
Lucien izay novinavinaiko fa nisy ny fianjeràna.
Nidoboka teo ambonin’i Rova ilay
fitoeram-bokin’i ramose Lucien.
Tsy nahatsiaro tena intsony izy.
Nobataiko ilay fitoeram-boky ary niditra i
Prisca, anbavin’i Rova.
Tonga dia namoaka ny findainy ary niantso
an’i ‘mose Lucien.
— Modia i dada fa nazeran’ilay sôlafan-
dozatra io teo ambonin’i Rova ilay
fitoeram-boky.
Niezaka ny nanazava izay nitranga aho.
Tsy nisy nino.
Fa raha sanatria, hono, ka maninomaninona
ny zanany dia ho razana ny tenako.
Nasaina nampirina ilay birao aho rehefa avy
voadaroka, nandraingiraingy ery, naharary ahy
daholo ny lamosiko rehetra.
Nentina tany amin’ny dokotera i Rova izay
efa nahatsiaro tena.

41
I Rova izay noheveriko fa hilaza ny marina
kanefa dia niray hevitra tamin’i Prisca.
Fantatro fa tsy handray karama aho amin’ny
faran’ny volana ho fanonerana ny vola lany
nitsaboina an’i Rova.
Nahita valopy aho teo am-pampirimana ilay
fitoeram-boky… valopy izay nanintona ny
masoko efa bongo satria nisy ny anaran’i Dada.
Noraisiko ary faingana nafeniko tanatin’ny
akanjoko.

42
9

Te-hamangy an’i Neny aho kanefa vao ton-


ga tao an-trano dia ny fandriana no novonjena.
Vizana, reraka, sasatra, torovana, trotraka.
Navelako natosiky ny havizanako
hidaraboka teo ambon’ilay kidoro ny vatako.
Reko nikasokasoka tao anaty akanjoko ilay
valopy nisy ny anaran’i Dada.
Taitra tampoka aho ary nitsoaka lavitra ahy
indray i Ratorimaso.
Nientanentana ny foko, nangovitra ny
vatako.
Norovitiko ilay valopy be, nihidy tsara, ary
soratra kely no nanokatra izany :
“Didim-pananana”
Novinakiko io.
Akory ny hazendanako, tsy takatro ny
lanitra fa avo dia avo ka dia nionona teny ho eny
ambonin’ny rahom-pahasambarana ny amiko
rehetra.
Nisento tokana aho, nilatsaka ny
ranomasoko nahita ny sonian’i Dadabe, i Bebe,
ireo Vavolombelona roa ary ilay “Notaire”.
Fantatro izao fa an’i Dada daholo ny
fananan’i Dadabe sy i Bebe rehetra.

43
Fa dia inona loatra no nataon’i Dada no
tian’ireo olona nitaiza azy ireo fatratra izy ?
Tiany mihoatra noho ny zanany naterany…
Misitery iray.
Tsy tiako hofantarina fa sao hanimba indray
izany hohasambaranay.
Mila mandre izao zavatra izao i Neny.
Nisy nandondòna mafy indray ny vavahady.
I ramose Lucien ve sanatria?
Niolomay aho, haandeha hamoha azy.
I Neny, io sahady, efa miramirana no
namihina ahy.
— Sitrana aho. Efa tokony tamin’ny
maraina aho no nody fa mbola nisy
taratasy nokarakaraina ary niandrasana
dokoter a dia izao vao tafavoaka.
Niantsampy indray teny an-tratrany aho,
namikiviky nody, niditra ny trano izahay
mianaka.
— Misy vaovao mahafaly holazaiko aminao
koa.
Natolotro azy ilay valopy be.

44
10

Toa nofinofy ny fiananay mianaka.


Nanan-karem-be i Dadabe sy i Bebe.
Anay avokoa ireo fananana ireo izao.
Efa vita ny taratasy ary efa voasoratra
taminay sy i Neny.
Saika novidianay ilay tranonay fahiny fa tsy
nety i ramose Lucien satria azony mora ilay
trano kanefa tsara toerana sady tsara rafitra.
Teo aho vao tonga saina fa na dia
notsindriana fa lavo aza izahay dia mbola nanana
anjara masoandro nomena anay ny fiainana.
Aza very fanantenana, mbola ho avy ny
maraina ary kodiaran-tsarety izao rehetra izao.

***
Feon-gazety anio fahavalon’ny volana
aogositra.
TRANO MAY :
FIANAKAVIANA EFA-MIANAKA NO
KILAN’NY AFO TETSY
AMBOHIJANAHARY

Io fa hitako ilay tranon’i ramose Lucien, efa


ravan’ny afo, nibahana ny pejy voalohan’ilay
gazety mpiseho isan’andro.

45
46

Вам также может понравиться